Notafihin’ny jiolahy mirongo fitaovam-piadiana ny tsenam-barotra iray tetsy Ambatolampy Tsimahafotsy, afakomaly alina. Noratran’ireo jiolahy, nandritra izany, ny renim-pianakaviana. Voaroba ny vola 2 tapitrisa Ariary. Nirefodrefotra ny basy tao amin’ny fokontany Avarajozoro, kaominina Ambatolampy Tsimahafotsy, distrikan’Ambohidratrimo, ny alin’ny talata hifoha omaly alarobia 15 jolay. Mpivarotra iray lasibatry ny jiolahy. Naratra mafy […]
Tranga
Nikasa hanafika sy nitifitr’olona : Jiolahy iray lavon’ny balan’ny zandary
Nirefodrefotra ny basy tany amin’ny fokontany Vohimary, kaominina ambanivohitra Andiolava, afakomaly maraina, tamin’ny 8 ora latsaka fahefany. Lavon’ny balan’ny zandary sy ny Tafika, ny jiolahy raindahiny amin’ny asa fanafihana mitam-piadiana. Niditra an-keriny tao amin’ny tokantranon’olona iray tany an-toerana ny jiolahy miisa roa. Notifirin’izy ireo tamin’ny basy ny raim-pianakaviana manodidina ny […]
Nosy Be : Olona 22 saika hiondrana any Mayotte
Saron’ny Tafika an-dranomasina, tao amin’ny seranan-tsambo Ambaravato, Nosy Be, ny botry iray nikasa hitondra mpandeha an-tsokosoko hiondrana any Mayotte, ny alin’ny sabotsy hifoha ny alahady 12 jolay teo. Nanao fisafoana tamin’iny faritra iny ny Tafika an-drananomasina izay sady mpiaro ny sisintany malagasy. Tra-tehaka ny fisian’io botry iray izay nampiahiahy io. […]
Voatifitra omaly i Andry : voatifitra teny amin’ny Capsat
Folo volana taty aorian’ny tolom-bahoaka, namoy ny ainy ny raim-pianakaviana anisan’ny voatifitra teo amin’ny ranjony teny amin’ny Capsat. Narary tampoka ka nalevina omaly izy. Namoy ny ainy ilay raim-pianakaviana anisan’ny voatifitra teny amin’ny Capsat ny 12 oktobra 2025. Notanterahina omaly ny fandevanana azy. Efa nialana nenina sy notsaboana nandritra ny […]
Mpiala sasatra tany Toamasina : Ankizivavy 13 taona natelin’ny ranomasina
Nitrangana lozan-dranomasina ny fiatombohan’ny fialantsasatra any amin’ny faritanin’i Toamasina. Ny zoma lasa teo, ankizivavy 13 taona no natelin’ny ranomasina rehefa nilalao rano teny amoron-dranomasina. Nifanandrify tamin’ireo toerana natao fisotroana sy fipetrapetrahana ny nisehoan’ny loza. Ankizy mpanao vakansy maromaro no niaraka nilalao rano tamin’io andro io, tokony ho tamin’ny 4 ora […]




