Voasambotry ny polisin’ny Fip ao Antsiranana, omaly, ny lehilahy roa tompon’antoka tamina fanakorontana tao anaty hotely iray any an-toerana. Nanatanteraka asa toy ny fanaony isan’andro ny polisy amin’ny fanaraha-maso ny trangana tsy fandriampahalemana ao an-tampon-tanànan’Antsiranana. Nifanindran-dalana tamin’izany ny fisiana trangana fanakorontanana tao amina trano fandraisam-bahiny iray. Tsikaritry ny polisy tamin’izany […]
Tranga
Nandriaka ny ra : Ben’ny Tanàna maty voatifitra
Maty tsy tra-drano! Voatifitry ny dahalo ny ben’ny Tanàna tao amina kaominina Andranomiely, Ankazobe. Jiolahy telo kosa maratran’ny balan’ny zandary. Nataon’ny dahalo hazalambo! Maty voatifitra ny ben’ny Tanàna tao amin’ny kaominina Andranomiely, distrikan’Ankazobe, ny alahady 7 janoary teo, tamin’ny 11 ora alina. Nangingina nandritra ny herinandro vitsy ny tsy fandriampahalemana […]
Antsenakisoa: basy iray hita tao anaty sakaosy
Hitan’ny polisy tao anaty sakaosy iray, tao Antsenakisoa Tsiroanomandidy, faritra Bongolava, ny basy vita tanana, famaky, mohara, niaraka tamin’ny odiratsy marobe, ny sabotsy teo. Nanao fisafoana mandeha an-tongotra, toy ny fanaony, ireo polisy no nahatsikaritra olona hafahafa tao Antsenakisoa, tamin’io fotoana io. Nandositra avy hatrany ilay lehilahy nitondra io sakaosy […]
Fanafihana amin’ny RN4 : dahalo telo lahy maty voatifitry ny zandary
Lavon’ny mpitandro filaminana ny dahalo telo lahy mpanakan-dalana amin’ny RN4, tao Analakida fokontany Mahatazantsoa, kaominina ambanivohitra Andranofasika, afakomaly alina. Nikononkonona fanafihana, nifanehatra tampoka tamin’ny zandary mpanao fisafoana alina ireo olon-dratsy. Nanapoaka basy avy hatrany ireto farany. Raikitra ny fifandonana teo amin’ny roa tonta. Vokany, voan’ny balan’ny zandarimaria ny telo lahy. […]
Natahotra fitsaram-bahoaka : mpanendaka nitsoraka tao amin’ny reniranon’Ikopa
Nitsoraka tao Ikopa ilay mpanendaka natahotra fitsaram-bahoaka. Tsy nahay nilomano, niantso vonjy. Mainka novelesin’ny olona kobay ka nilentika. Tsy hay na maty na velona ! Vehivavy iray avy niasa, hamonjy fodiana eny amin’ny fokontany Ankazotoho Anosimahavelona, kaominina Anosizato Andrefana no voalaza fa nendahin’ny jiolahy iray. Avy niala tamin’ny taxi-be, nifanehatra […]