Volamena 2,115 kilao no tratra saika haondrana antsokosoko. Sarona koa ny trano fandrendrehan’ireo mpanao trafika bolongam-bolamena. Nahomby indray ny ezaka nataon’ny Fadintseranana malagasy. Teratany srilankey iray no tratra nitondra volamena antsokosoko, milanja 2,115 kilao, teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny 22 jolay teo. Nikasa handray ny sidina EK 708 ho any […]
Tranga
Nikasa handositra tao amin’ny birao: Jiolahy raindahiny maty voatifitry ny zandary
Jiolahy raindahiny iray lavon’ny balan’ny zandary teny Fenoarivo, afakomaly, tamin’ny 9 ora alina. Rehefa nikasa handositra sy handrombaka ny basin’ny zandary iray nanao andrimaso azy tao amin’ny biraon’ny zandary. Notazomina sy natao fanadihadihana teny amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana izy rehefa voasambotra ny alahady 27 jolay lasa teo. Efa nitady hirika […]
Paraky-Andrefan’i Mananjara: Efa-dahy nahatrarana fitaovam-piadiana
Basy poleta niampy bala telo saron’ny polisy miasa eo anivon’ny kaomisaria Mahamasina, tany amin’ny efa-dahy, teny Paraky, Andrefan’i Mananjara, ny alahady 27 jolay maraina teo. Nanao fisafoana alina teny an-toerana ny ekipan’ny polisim-pirenena. Nisy andian-dehilahy naneho fihetsika hafahafa ka nanatona ny mpitandro filaminana. Natao ny fisavana. Nahatrarana rongony ireo lehilahy […]
Resin-tory teo amoron-dalana : Lehilahy iray maty voahitsaky ny fiarabe
Voalaza fa resin-tory teo am-piandrasana ny sisin’ala tany Ambodimanga ny lehilahy iray. Nianjera tany amin’ny arabe izy ary voahitsaky ny fiarabe sendra nandalo. Maty tsy tra-drano ary vaky niparitaka tamin’ny arabe ny atidohany. Lehilahy iray tokony ho 40 taona maty vaohitsaky ny fiarabe mpitatitra tany amin’ny lalam-pirenena fahefatra, omaly atoandro, […]
Taksiborosy nivadika : Mpandeha 12 naiditra hopitaly
Tapa-tanana ny renim-pianakaviana 76 taona ary tapaka fe ny lehilahy 23 taona niharan’ny lozam-pifamoivoizana teo amin’ny lalam-pirenena fahafito, 7 Km tsy hiditra ny tananàn’Ambositra, omaly maraina. Niainga avy any Vangaindrano io fiara mpitatitra io ary nikasa hihazo an’Antananarivo Renivohitra. Nifandona tampoka tamin’ny fiara iray hafa avy any Toliara ilay taksiborosy. […]





