Tranga

Ady lova tao Vatomandry: hanaovana famotorana indray i Jasmin

Mbola tsy afaka am-bavan’ny rehetra ilay vonoan’olona feno habibiana nitranga tao Vatomandry. Araka ny fanazavan’ny lehiben’ny fikarohana ady heloka bevava eo anivon’ny polisim-pirenena Atsinanana, ny kaomisera Rajaobelina Herizo, taorian’ny fampidirana am-ponja ireo telo lahy namono nahafaty ilay renim-pianakaviana tao amin’ny fokontany Bemasoandro, ny alin’ny 4 febroary 2024 teo, tsy hijanona […]

Fanondranana harem-pirenena: Sokatra roa valizy sarona tetsy Tsarasaotra

Sokatra miisa 147 nokasaina hamidy nogiazan’ny zandary, teny Tsarasaotra, omaly. Ifampitadiavana ireo tompon’antoka. Zana-tsokatra miisa 147 azon’ny zandary teny Tsarasaotra, mihazo ny lalam-baovao mampitohy an’ Ivato, omaly maraina. Na­haray loharanom-baovao avy tamin’ny tsara sitrapo ny zandary fa misy ny fikasana hivarotra sokatra teo amin’io toerana io. Nidina ifotony nanamarina ny […]

RN4 : mpangalatra fiara voasambotra

Tra-tehaky ny mpitandro filaminana teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra, PK 420+200, ny lehilahy iray sy ny fiara halatra, ny 22 febroary teo. Nentin’io mpamily io ny fiara nanomboka ny 21 febroary teo. Nitsena ny zanaky ny mpampiasa azy io lehilahy io ary tsy hita intsony taorian’izay. Tsy tratra antso, izy izay […]

Fieferana : mpianatra roa lahy nilatsaham-potaka

Zaza roa lahy niara-maty tao Fieferana, omaly. Nilatsaham-potaka tampoka izy roa lahy. Maty tsy tra-drano nilatsaham-potaka ny zaza roa 6 sy 8 taona tao amin’ny kaominina Fieferana, distrika Avaradrano, omaly. Niverina avy tany amin’ny trano famanizana ireo zaza ireo. Nivatravatra ny kotro-baratra tany amin’io kaomi­nina io, omaly. Nivoaka na­monjy ny […]