Tranga

Fanapoizinana teny Ambohimalaza  : Mihenjana ny fianakaviana, mifamotika ny politisianina

35 andro katroka androany ilay “Anniversaire mainty”, teny Ambohimalaza. Olona 31 no maty. Tsy hita ny tena marina. Mihenjana ny fianakaviana. Mivadika ho fifamotehan’ny politisianina ilay tranga.  Tsy hilefitra vokatry ny fa­moizana ny ain-janany sy havany nateraky ny so­tasotan’ny hafa, taorian’ny fa­napoizinana ara-tsakafo teny Ambohimalaza, iray volana aty aorian’ny tranga, […]

Saropody – Tanjombato: Efa-dahy nitam-basy nandroba 1 tapitrisa Ar

Niditra an-keriny tao amin’ ny tokantrano iray manamorona ny lalamby teny Saropody, Tanjombato, ny alin’ny talata 15 jolay teo, tamin’ny 11 ora sy sasany ireo olon-dratsy. Ni­lanja fitaovam-piadiana, tsy nisy nisaron-tava izy ireo. Ni­taky ny vola tao an-trano sy nangorona ny entana sarobidy toy ny fahitalavitra. Niezaka nanda ny tompon-trano […]

Arivonimamo : Olona nodorana hita faty

Ny sisan’akanjo tsy may toy ny « Tee-shirt », hany sisa namantaran’ny fianakaviany, ny raim-pianakaviana hita faty tao amin’ny fokontany Morafeno, kaominina Arivonimamo, omaly. Mpiandry omby nandalo vao maraina no nahatsikaritra fisian-javatra hafahafa tao anaty lava-pako. Nampandre avy hatrany ny lehiben’ny fokontany izy. Nojerena, kinanjo fatin’olona efa simban’ny afo ity nisy nanary […]

Fakana an-keriny teny Ankadikely-Ilafy: Adjidà misotro ronono sy Serzà sefo voasambotra

Tafika miisa roa, niampy vehivavy iray hafa, niara-voasambotra momba ny fakana an-keriny tao Ankadikely, distrika Avaradrano, ny 15 jolay teo. Notakin’ireto voasambotra vola mitetina 10 tapitrisa Ar ny lasibatra. Nitonona ho mpiasan’ny Fitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac) ireo olon-dratsy naka an-keriny vehivavy iray teny amin’ny trano fonenany eny Anka­dikely-Ilafy, ny […]

Ampitatafika : Lehilahy voatsatok’antsy hita faty

Lehilahy manodidina ny 30 taona eo, hita faty teny Sidi­sidina Tangaina, fokontany Atsimombohitra, kaominina Ampitatafika, distrika Antana­narivo Atsimondrano, omaly maraina tamin’ny 6 ora. Mpan­droaka sarety sy mpanao biriky nandeha maraina no nahita vatan-dehilahy iray nivalampatra ka nampilaza ny tomponandraikitra. Tonga teny an-toerana nijery sy nanao ny fa­nadihadiana ny zandary avy […]