Tontosa tao Faratsiho Antsirabe, ny 17 febroary lasa teo, ny fifakalozan-kevitra voalohany, nokarakarain’ny ligin’ny baolina kitra, faritra Vakinankaratra. Tanjona amin’ity hetsika ity ny hahafantarana ny olana sendrain’ny baolina kitra any an-toerana, hisorohana ny disadisa rehefa manomboka ny fifaninanana. Hotanterahina ny 2-3 marsa ho avy izao, any amin’ny Boulôdrome Tanjombato, ny […]
Tranga
Tambajotran-jiolahy: dimy lahy voasambotry ny polisy
Dimy lahy mpikambana anatin’ny tambajotran-jiolahy tra-tehaky ny mpitandro filaminana tao Amparihingidro, Mahajanga, afakomaly. Naharay fitarainana ny mpitandro filaminana ao an-toerana fa lasibatry ny asa ratsin’ireo jiolahy ireo ny mponina ao Amborovy, Ambondrona hatrany Amparihingidro. Nanao fisafoana alina ny UIR ka nifanehatra tamin’ireo olon-dratsy. Nitsoaka avy hatrany ireto farany rehefa nahatazana […]
Ambohijanaka : Jiolahy iray voatifitra
Nirefodrefotra ny basy ! Maty voatifitra ny jiolahy raindahiny iray teny amin’ny fokontany Ambatolampy, kaominina Ambohijanaka, ny alin’ny alarobia hifoha ny alakamisy 22 febroary teo. Teo am-pangalarana omby, voasambotry ny fokonolona io olon-dratsy io. Nentin’ny zandary natao famotorana izy ka nanaiky hitoroka ireo namany. Nentin’io jiolahy io nihazo ny lalamby izay […]
Trafikana olona : Afrikanina roa lahy naiditra eny Tsiafahy
Tratran’ny polisy tetsy 67 ha ny telo lahy, mpanondrana olona antsokosoko any ivelany. Notanana am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy izy ireo, rehefa nohenoin’ny fampanoavana. Voasambotra teny amin’ny faritry ny 67 ha ny teratany Ganeanina roa lahy sy ny Malagasy iray namany. Mpanondrana olona antsokosoko hiasa any ivelany izy ireo. Naiditra am-ponja […]
Taingim-be : olona roa namoy ny ainy, valo naratra
Mpandeha roa maty tsy tra-drano vokatry ny lozam-pifamoivoizana tao Nosy-Be, omaly. Nitondra olona folo io Bajaj tra-doza io. Tsy nahazo tampoka ny hisatra ka nivarina tany an-kady ny fiara nitondra ireo olona am-polony. Naratra mafy ny ankamaroan’ireo mpandeha ireo. Niezaka nanavotra ireo tena voa mafy teny anivon’ny hopitaly ireo nanatri-maso […]