Olon-dratsy roa lahy nitam-piadiana nanambana basy ka nandroba vola an’ny mpanao Cash point teny Mahamasina Ankadilalana, ny marain’ny sabotsy 12 jolay tamin’ny 7 ora sy sasany. Hamonjy ny toeram-piasany ilay renim-pianakaviana sy ny vadiny. Niambozona ny sakaosy nisy ny vola mitetina 25 tapitrisa Ariary sy finday fampiasa ilay ramatoa. Nandrasan’ny […]
Tranga
Fanondranana zavamaniry arovana: Teratany karana roa sy Malagasy iray voarohirohy
Niakatra fampanoavana, afakomaly, ny teratany karana roa sy Malagasy iray, ahina ho mpanao trafikana Harena voajanahary. Nahatratra karazana zavamaniry voarara miisa 40 izy ireo. Tratra nanao hosoka mahakasika ny fanondranana zavamaniry arovana tao amin’ny zaridaina iray etsy Ivoara, kaominina ambanivohitra Masindray ny teratany karana iray. Nanantanteraka fisavana teny amin’ny zaridaina […]
Toamasina : Mpanjono telo lahy tsy hita popoka
Efatr’andro aty aoriana, mpanjono telo lahy tsy hita popoka raha nanjono tany atsimon’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Tsy azo an-telefaonina izy ireo ary efa lany vatsy ihany koa. Nianga teo amoron-dranomasin’i Toamasina, ny talata 9 jolay tamin’ny 9 ora maraina ny mpanjono telo lahy. Andeha hanjono mandritra ny alina amin’ny alalan’ny fintana sy […]
Mpivarotra enta-madinika: Raim-pianakaviana maty voatsatok’antsy in-12
Raim-pianakaviana, mpivarotra enta-madinika iray tany Antalata Ambohimahasoa, maty voatsatok’antsy in-12 tao an-tranony, ny alarobia lasa teo. Voatsindrona tamin’ izany, ny tendany, ny lohany, ny tarehiny, ny ambavafony ary ny kibony, raha ny fizahana nataon’ny mpitsabo. Nisy lehilahy roa nilaza hividy sigara sy fahana atao amin’ny finday tao an-tsenan’io mpandraharaha io, […]
Analamahitsy : Vehivavy tera-dahy teny an-dalana
Latsaka nanoloana ny kaomisarian’ny Polisy Analamahitsy ny zanaky ny renim-pianakaviana iray, omaly. An-dalana handeha hihazo ny toeram-pitsaboana fa ho teraka io vehivavy io sy ny fianakaviany. Efa naneho fihetsika hafahafa ilay renim-pianakaviana vantany vao niala tany an-trano. Tsy tanàny intsony ny kibony ka naka sisiny teo amin’ny tambohon’ny polisy io […]





