Dahalo mpangalatra omby lavon’ny mpitandro filaminana nandritra ny fifanjevoana tao amin’ny fokontany Ambahary, kaominina Manerinerina, distrikan’Ambatoboeny, omaly maraina. Tratra teo am-pangalarana omby io dahalo fanta-daza amin’ny solon’anarana hoe Dauphin io. Nentina hamonjy ny biraon’ny zandary izy. Notolominy io mpitandro filaminana nitondra azy io ary nokasainy alaina ny fitaovam-piadiana. Niaro-tena ny […]
Tranga
Dia fibeazana : Mpianatra dimy mianadahy maty an-drano
Tanora dimy mianadahy, mpianatra, maty an-drano rehefa nilomano tany Antsanitia Belobaka Mahajanga, omaly atoandro. Nahitana lehilahy efatra sy vehivavy iray. Tanora mpianatry ny Lycée Manjakandriana, nanao dia fibeazana tany Mahajanga ireo tra-doza ireo. Nitsidika ny “plage Antsanitia” Belobaka ireo mpianatra avy amin’ny Lycée Manjakandriana omaly tamin’ny 12 ora sasany atoandro. […]
Fankalazana ny fetin’ny paka: Olona 44 voasambotry ny mpitandro filaminana
Nahatratra 44 ireo olona voasambotry ny mpitandro filaminana nandritra ny fankalazana ny fetin’ny paka lasa teo, teto amin’ny faritra Analamanga, raha ny tatitra voaray teo anivon’ny polisim-pirenena. Nosamborina noho ny fandikan-dalàna sy hadisoana samihafa nandritra ny fety izy ireo. Manodidina ny 19 ireo fitarainana voarain’ny polisy nandritra ny fety. Fanafihana […]
Halatra moto tetsy Isotry : Roa lahy voasambotry ny polisy
Nifenehatra tamin’ny mpitandro filaminana, roa lahy mpangalatra moto voasambotra teo Isotry, ny alin’ny alatsinain’ny Paka teo. Nisy nanosika mangingina niala ny toerana nametrahan’ny tompony azy tao Anatihazo, ny moto scooter marika Yamaha, tamin’io alina io. Nampahafantatra ny polisim-pirenena miasa eo anivon’ny CSP4 ny tompon’entana. Nanao ny fanarahan-dia ny polisy ka […]
Nanohitra mpanolana : Vehivavy voatsindron’antsy indimy
Lehilahy voasambotry ny zandary miasa ao amin’ny tobim-paritra Sabotsy Namehana, afakomaly. Nanamparany herisetra ilay vehivavy rehefa tsy nanaiky ny filan-dratsiny. Tra-tehaky ny mpitandro filaminana niaraka amin’ ny ody ratsy ny lehilahy nikasa hanolana vehivavy tao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana, ny 22 aprily teo. Nitondra antsy io lehilahy io. Nifanena tampoka […]