Lehilahy iray noahiahina tamin’ny famonoana vehivavy iray mpanao Cash point tany Maintirano, maty nodoran’ny fokonolona velona tany an-toerana, omaly tamin’ny 4 ora hariva. Voatazona tao amin’ny biraon’ny FIP Maintirano izy io, ny sabotsy. Nitaky ny hamoahana azy ny fokonolona sy ny fianakavian’ilay vehivavy nisy namono. Omaly, tezitra ireo vahoaka ka […]
Tranga
Tsaralalàna : Trano rihana roa kilan’ny afo, omaly hariva
Nitrangana haintrano indray tetsy tsaralalàna-Basta, omaly hariva tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany tany ho any. Trano iray, misy rihana roa sy efitra manodidina ny efatra, tany amin’ny rihana voalohany sy faharoa no kilan’ny afo tanteraka tamin’izany. Raha ny angom-baovao voaray teny an-toerana, tsy nisy olona tao amin’io trano […]
Nody alina : Raim-pianakaviana hita faty
Vatana mangatsiaka an’ilay raim-pianakaviana hany sisa hitan’ny fianakaviany tao amin’ny fokontany Marodinta, kaominina Antsirabe, omaly maraina. Nihohoka tamin’ny tany nanamorona ny fasan’ny mpino tao Ambohimahazo, io lehilahy io, tamin’ny fotoana nahitan’ny fokonolona azy. Niandry azy ny ankohonany ny harivan’ny alakamisy saingy tsy nody an-trano io raim-pianakaviana 54 taona io, araka […]
By-Pass : Vazaha niitondra moto maty tsy tra-drano
Raim-pianakaviana, teratany vahiny, namoy ny ainy tetsy By-Pass, omaly maraina. Nisosa tamin’ny arabe ny moto nentiny rehefa nikasa hisongona fiara teo alohany. Nipitika teo afovoan’ny arabe, namoy ny ainy, ny teratany vahiny iray teny Androndrakely By-Pass, omaly maraina tamin’ny 7 ora sy 38 minitra. «Avy any amin’ ny lalan’i By-Pass […]
Nikasa hangala-jaza : Olona telo voasambotry ny fokonolona
Ahenoana zaza sy olona very hatrany isan’andro, miparitaka anaty tambajotran-tserasera. Omaly, olona roa, nahitana vehivavy iray sy lehilahy iray, voasambotry ny fokonolona tetsy Ankazomanga Tsaramasay, ny maraina. Voalaza fa nikasa hangala-jaza tamin’ny alalan’ny fanomezana balaonina izy ireo, raha ny fanazavana voaray tamin’ny mponina. Nahatsikaritra izany ny olona teny amin’ny manodidina […]




