Tranga

Jly Ravalomanana Richard: hiakatra fitsarana anio raha tsy misy ny fiovana

Fito volana taorian’ny nam­pidirana am-ponja vonjimaika ny Jly Ravalomanana Richard, teny amin’ny fonjan’­ Imerin­tsiatosika, hiakatra fitsarana ao amin’ny ady heloka bevava Anosy, anio, ny tenany, raha tsy hisy ny fiovana. Maro ny vesatra hanenjehana azy, raha ny angom-baovao. Ani­san’izany ny ny fanohintohi­nana ny fiandrianam-panja­kana, firaisana tsikombakomba tamin’ny heloka bevava samihafa, […]

Navadiky ny lakana: mpandeha miisa efatra niara-maty an-drano

Namoy ny ainy tamin’ny lozam-pitaterana an-dranomamy ny olona efatra, tamin’ny faran’ny herinandro, tany Alaotra. Zaza telo taona ny iray. Hita omaly ny vehivavy iray anisan’ireo olona efatra namoy ny ainy taorian’ny fivadihan’ny lakana iray tao amin’ny ranon’Alaotra, distrikan’Ambatondrazaka, faritra Alaotra Mangoro. Na­moi­zaina ain’olona miisa efatra io loza niseho ny sabotsy […]

Voaroba ny 2 tapitrisa Ariary: renim-pianakaviana namoy ny ainy

Notafihin’ny olon-dratsy ny tokantranona mpanao biriky iray teny amin’ny fokontany Mahitsy, kaominina ambanivohitr’ Alasora, ny alin’ny zoma 28 aogositra 2026 hifoha afakomaly. Vao nahalafo biriky ireo mpivady tao amin’io tokantrano io ka notongavan’ny jiolahy. Niditra an-keriny tao an-trano ireo olon-dratsy, nitaky ny vola rehetra tao an-trano. Mbola notsindrominy tamin’ny antsy […]

Nariana teo amoron-drano: lehilahy iray hita faty nalana taova

Mitohy hatrany ny fahitana fatin’olona alana taova. Omaly maraina, lehilahy iray tokony ho 22 taona no hita faty tany amin’ny 50 metatra miala ny tanàna, ao amin’ny fokontany Ambatoharanana, kaominina sy distrikan’Ikongo. Niborida­na tanteraka ny razana ary ni­valampatra sy niankohoka teo amoron’ny lakandrano akaikin’ny kirihitr’ala iray. Tovolahy iray handeha hiasa […]

Namono an’i Stéphanie sy Haingotiana: maty voatifitra izy efa-dahy tompon’antoka

Maty voatifitry ny polisy ireo tovolahy miisa efatra, tompon’antoka tamin’ny famonoana roa vavy hita faty teny Ambohimanga Rova, ny alahady 23 aogositra teo. Nanohitra ny mpitandro filaminana izy ireo ka antony nitifirana azy. Mbola hita avokoa ny porofo rehetra sy ny fitaovana nanaovan’izy ireo ny asa ratsy. Maty voatifitry ny […]