Tranga

Fifampikasohana herinaratra: trano fivarotana dimy kilan’ny afo

Nitrangana haintrano ma­hatsiravina tao amin’ny fokontany Analankinina Hopitaly Be, eo amin’ny “Rond point ” ambody tetezana Tanamakoa, ny zoma 9 febroary, tokony ho tamin’ny 6 ora hariva. “Efa ela izahay no nampandre ny Jirama fa matetika misy manjelanjelatra na mitselatselatra ny tariby mitondra herinaratra amin’ io andrin-jiro io fa tsy […]

Mahaboboka – Toliara: Taksiborosy nahatrarana zanaka baobab 24 gony

Mirongatra hatrany ireo manararao-paty manimba ny ala arovana. Lehilahy iray sarona nitondra zanaka baobab tao anaty gony. Noraisim-potsiny! Sa­ron’ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-pa­ritra Mahaboboka ny taksiborosy iray nitondra jabohy (za­naka baobab) 24 gony, ny sabotsy teo. Tafiditra ao anatin’ireo hazo sarobidy ka mila arovana ireto karazan-kazo mampiavaka ny faritra […]

TSELATRA

Lehilahy iray hita faty nananton-tena tamin’ny tady tao amin’ny fokontany Betsiraha, kaominina ambanivohitra Lopary, distrikan’i Vangaindrano, afakomaly. Nentin’ny hamamoana; nifamaly tamin’ny rainy izy ka nodorany ny trano. Nifampitadiavan’ny fianakaviany io lehilahy io saingy tsy hita raha tsy tamin’ny 11 ora alina. Nihantona tamin’ny tady teo ambony hazo tao Antranombazaha izy. […]

Marovoay : dahalo roa lahy maty voatifitra

Nanaovan’ny fokonolona sy ny zandary hazalambo, lavo ny dahalo roa lahy ikoizana amin’ny fanafihana mitam-piadiana, tao amin’ny kaominina Ankaraobato, distrikan’i Marovoay, ny 9 febroary teo. Nikononkonona hanafika toy ny fanaony indray ireo dahalo ireo. Naharay loharanom-baovao marim-pototra ny mpitandro filaminana miasa ao an-toerana ka namolavola paikady. Nigadona tao amin’ny tanànan’i […]

Famoizam-po : vehivavy maty nananton-tena

Marary hitsabo tena hita faty nihantona tamin’ny tady tao Ambalamanasy Carreau I, Toamasina, omaly atoandro. Nija­nona irery tao an-trano io vehivavy io vokatry ny aretina an-doha mahazo azy matetika. Mponina avy any Sandrakatsy, Mananara Avaratra izy mianaka ireo. Nentin’ny reniny tao Toamasina izy hitsabo tena. Nigadona tao amin’ny renivohitr’Atsinanana ireto […]