Tranga

Aferam-basy : Telo mianadahy voasambotra tetsy Talatamaty

Tompon’antoka tamin’ny fivarotana fitaovam-piadiana tsy manara-dalàna ny vehivavy iray tratra teny Talatamaty, ny alahady 6 jolay teo. Roa lahy tratra niaraka tamin’ny basy sy bala. Hiakatra fampanaovana anio ireo olona telo voa­saringotra tamin’ny fivarotam-basy tsy manara-dalàna teny Talatamaty. Telo mianadahy niara-voasambotry ny zandarimaria avy eo ani­von’ny tobim-paritra Talata­maty, ny alahady […]

Karana voatafika: Jiolahy roa maty voatifitra

Lavon’ny tifitra nataon’ny ekipan’ny UIR, eo anivon’ny polisim-pirenena, ny jiolahy roa tao Andranomena, kaominina Betsinjaky, distrika Toliara, omaly maraina. Ni­tran­gana fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny tranombarotra an’ny karana iray tao Bazary Be, ny sabotsy 5 jolay lasa teo. Nanazava ny nanatri-maso fa nitondra basy ny mpandroba tamin’io fotoana io. Naharay loharanom-baovao […]

Fikarohana ara-tsiansa: Nisy nangalatra ny tahirin-kevitra

Nisy namaky ny trano misy ny biraon’ny Fitaleavana misahana ny fikarohana sy ny haivao (DRI) eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny marain’ny sabotsy 5 jolay 2025 lasa teo. Novakian’ny jiolahy ny efitrano roa ary lasan’izy ireo tamin’izany ny ordinatera (Unité central) izay nitahiry ny angon-drakitra. Very […]

Naratra voadaroka ny tompon-trano : 40 tapitrisa Ariary voaroba teny Tanjombato

Very ny 40 tapitrisa Ar tao amin’ny fianakaviana iray, afakomaly alina, teny Tanjombato. Naratra mafy, voadaroky ny jiolahy ny raim-pianakaviana tompon-trano. Tsy mitsaha-mirongatra ny fanafihana mitam-piadiana tato ho ato. Ahi­tana izany matetika ny eny amin’ny distrika Atsimon­drano. Nota­fihan’ny jiolahy miisa 12, misaron-tava sy mi­rongo fitaovam-piadiana (basy sy sabatra), ny tokantrano […]

Nifanenjehan’ny fokonolona : Dahalo roa lahy maty voatifitra

Lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana ny dahalo roa lahy nangalatra omby tao amin’ ny fokontany Amparihy, kaominina Ambano, distrikan’ Antsi­rabe II, ny 4 jolay teo. Nentin’ireo olon-dratsy nandositra ny omby tao am-bala, tamin’ny 11 ora alina. Nanara-dia avy hatrany ny fokonolona sy ny zandarimaria avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Andranomane­latra. Nifandona ireo […]