Nampiasa « puce » miisa roa. Noraisim-potsiny ny lehilahy mpisoloky tao Ambatofahavalo, distrikan’Atsimondrano, ny 4 jolay teo. Nilaza haka vola amin’ny alalan’ny finday tao amin’ny Cash Point io lehilahy io. Nampiasa teti-dratsy anefa izy. Noraiketiny anatin’ny findainy anatin’ny “puce” hafa ny hafatra miafina toy ny avy amin’ilay tambajotra hangalany ny vola. Voasoratra anatin’io hafatra […]
Tranga
Nahatrarana grenady sy basy : Roa lahy naiditra eny Tsiafahy
Mpidoroka rongony mahery vaika, “Métamphétamine”, sady mpihazona fitaovam-piadiana mahery vaika niara-naiditra eny Tsiafahy, ny alakamisy 3 jolay teo. Niakatra fampanoavana ny alakamisy 3 jolay teo, notanana vonjimaika eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy ireo roa lahy nahatrarana fitaovam-piadiana teny Atsimondrano. Naharay angom-baovao ny polisy misahana ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina. Nosavaina ny […]
Ady heloka bevava ao Toamasina : Telo lahy voaheloka asa an-terivozona mandra-pahafaty
Migadra mandra-pahafaty ireo telo lahy voaheloka tamin’ny fanafihana niharo famonoana raim-pianakaviana ny volana septambra 2024. Tsy nitsitsy ny fampanoavana. Hentitra no azo ilazana ny fotoam-pitsarana ny alakamisy teo nandritra ny fitsarana ilay raharaha fanafihan-jiolahy tao Tanamakoa, ny alin’ny 03 septambra 2024, tokony ho tamin’ny 10 ora alina, araka ny antontan-taratasin’ady lah […]
Andranovelona Ilafy: Vazaha manararao-pahefana amin’ireo mpiasany
Vazaha iray sy ny vadiny teratany malagasy monina eny Andranovelona Ilafy no mampitaraina mponina sy mpiasa maro eny an-toerana, raha ny angom-baovao voaray. Manao fanamparam-pahefana sy manao herisetra amin’ireo mpiasa ao aminy sy ny mponina manodidina azy izy. Raim-pianakaviana iray, mpiambina sy mpikarakara zaridaina, no voaendrikendrika ho nangalam-bola tao anaty […]
Fiara nifandona : Mpivaro-mandeha maty voahitsaka
Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona iray tany Andranomadio Antsirabe, afakomaly alina, tamin’ny 9 ora sy 45 mn. Niseho teo amin’ny Jirama, PK 00, lalam-pirenena fahafito, ny loza. Lehilahy iray 57 taona, mpivarotra soya mandehandeha, manan-janaka enina, io niharam-boina io. Avy any andrefana handeha hiatsinanana tamin’ny lalam-pirenena RN7, ny fiara VW Crafter […]





