Tranga

Fifamaliana namoa-doza: nifamono, niara-maty izy mivady

Niafara tamin’ny ra mandriaka ny fifamalian’ny mpivady tao Vangaindrano, afakomaly. Niara-maty ilay rangahy sy ramatoa vadiny. Renim-pianakaviana iray 27 taona sy rangahy vadiny 50 taona niara-maty tao an-trano fonenany, tao amin’ny fokontany Vohi­mena, distrikan’i Vangaindra­no, ny sabotsy 10 febroary teo. Nisy olana nitarika ny tsy fifankahazoana teo amin’izy mivady, tamin’ny […]

Toliara : tratra ireo efa-dahy mpangalatra voamaso

Efatra mirahalahy mpangalatra voamaso, ao amin’ny fokontany Antaravay salimo, kaominina ambanivohitr’i To­liara, voasambotry ny zandary, omaly. Renim-pianakaviana manodidina ny 30 taona hita faty tsy nisy voamaso intsony tao amin’io fokontany io, ny 1 febroary teo. Notsato­tsa­tohan’ireo tsivahalara antsy io ramatoa io. Nokendain’ireo olon-dratsy izy ary nalana teo aminy ny voamaso […]

Toamasina : mpangalatra fiara voasambotra

Tratran’ny mpitandro filaminana teo anelanelan’i Savalaina sy Ambalarondra, RN2, ny lehilahy iray nangalatra taksiborosy, tao Toamasina,  afakomaly. Nipetraka teo amin’ny fiantsonan’ny taksiborosy tao amin’ny « Gare routière » io fiara io, ny alarobia 7 febroary teo. Nosokafan’ny jiolahy ny varavarana ka lasany io fiara io. Niverina hiditra ao anatiny ny mpamily saingy […]

Mirongatra ny famonoan-tena : raim-pianakaviana telo indray maty tao Toamasina

Tratran’ny famoizam-po tampoka tao anatina trangam-piainana samihafa ireo raim-pianakaviana telo namono tena tao Toamasina, ny talata teo. Trosa tsy voaloa amin’ny banky sy fisaraham-bady no tena anton’izany… Tsy ny tovovavy ihany! Tao anatin’ny herinandro, raim-pianakaviana telo indray namono tena tao Toamasina. Ho an’ny tranga voalohany, raim-pianakaviana 31 taona monina ao […]

Vokatry ny rotsakorana : trano roa nirodana tao Mandrosoa Ivato

Tsy nitsahatra ny rotsakorana tato anatin’ny herinandro izay. Nitarika fahavoazana maro teo amin’ny fotodrafitrasa sy ny mponina izany, indrindra ireo manamorona ny renirano. Vokany, trano roa nirodana tao amin’ny fokontany Mandrosoa Ivato, distrikan’Ambohidratrimo, omaly hariva. Tsy nisy ny aina nafoy, raha ny zava-misy. nandritra izany, nafindra toerana avy hatrany ao […]