Ravan’ny zandary ny tambajotran-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana teto an-dRenivohitra, ny alin’ny alakamisy 03 jolay teo. Roa lahy karohina. Nirefodrefotra ny basy nanomboka teny Ampasika hatrany Ampitatafika, ny alin’ny alakamisy 3 jolay teo. Jiolahy iray voasambotry ny mpitandro filaminana taorian’ny angom-baovao marim-pototra, io afakomaly io, tamin’ny 10 ora maraina. Nikasa hanao […]
Tranga
Kly Patrick Rakotomamonjy : Voasazy 20 taona an-tranomaizina
Voaheloka higadra an-tranomaizina 20 taona sazy mihatra ny Kly Patrick Rakotomamonjy, araka ny didim-pitsarana navoakan’ny fitsarana miady amin’ny kolikoly. Voasazy folo taona an-tranomaizina ny olona iray hafa voalaza fa mpiray tsikombakomba amin’io manamboninahitra io. Nahazo fahafahana vonjimaika kosa, ireo olona folo hafa. Mijanona ho ankamantatra amin’izao fotoana ny toerana misy […]
Fanafihana fiara : Dahalo raindahiny lavon’ny polisy
Lavon’ny balan’ny polisy tany Analavory, kaominina Beravina, distrikan’i Morafenobe, faritra Melaky, omaly, ny dahalo raindahiny iray. Malaza amin’ny fanafihana fiara mirongo fitaovam-piadiana toy ny basy, sabatra ary lefona ity farany. Omaly maraina, nanafika fiara tsy mataho-dalana iray izy io sy ny namany. Fiara an’ny ONG iray niainga tao Maintirano hihazo […]
Taksiborosy tra-doza: Mpandeha roa maty, am-polony naratra
Zazavavy telo taona monja ny iray tamin’ireo mpandeha miisa roa maty nandritra ny lozam-pifamoivoizana tao Maevatanana, omaly maraina. Nivadibadika nivoaka ny arabe ny taksibrosy iray teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra teo Antanimalalaka, kaominina Antanimbary, distrikan’i Maevatanana, omaly maraina. Niainga avy any Ambositra io fiara mpitatitra io ary nikasa hihazo an’i Mahajanga. […]
Asan-jiolahy tao Toamasina : Votsotra ireo zandary sy ny namany voarohirohy
Niakatra fitsarana tao Toamasina ireo olona fito voarohirohy tamin’ny raharaha asan-jiolahy ny taona 2024. Nahavoarohirohy zandary telo, sy Tafika iray ary sivily telolahy, araka ny antotan-taratasin’ ady lah 66- Toa/25. Samy nanda ny fiampangana azy avokoa izy rehetra ireo nandritra ny fotoam-pitsarana. Tsy nisy rahateo ny mpitory sy vavolombelona nandritra […]





