Tranga

Nampangain’ny akanjony: tratra ny andian-jiolahy nanolana ankizy

Niaiky ny helony ireo jiolahy! Naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjaben’ Ari­vo­ni­mamo rehefa avy natolotra ny fampanoavana ireo 13 lahy tompon’antoka tamina fanafihana narahina fanolanana tao Arivonimamo, ny faran’ ny volana janoary lasa teo. Nitrangana fanafihan-jiolahy mitam-piadiana mahery vaika tao an-tanànan’i Tsaontsaona, fokontany Ambohitrandraina, kaominina Ambohimandry, dis­trikan’Ari­vo­nimamo, tamin’ io fotoana […]

Notorian’ny fibaikoana : Kolonely roa nahazo sazy roa taona

Nomelohin’ny fitsarana sazy mihantona 2 taona an-tranomaizina ireo kolonely roa eo anivon’ny Foloalindahy voarohirohy tamina raharaha fanohintohinana ny fiandrianam-pirenena mialoha ny fotoana nanatanterahana fifidianana filoham-pirenena farany teo. Nivoaka omaly ny didim-pitsarana manenjika ireto manamboninahitra ambony ireto. Ny 16 janoary 2024 teo no notsaraina teo anivon’ny fitsarana ady heloka bevava ny […]

Telo lahy tratra: 10 000Ar ny tangozana katy eny 67 ha Avaratra

Naiditra am-ponja vonjimaika rehefa avy natolotra ny fampanoavana afakomaly, ireo telo lahy voarohirohy ho nanao trafikana zava-mahadomelina katy. Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny sampandraharaha miady amin’ny fiparitahan’ny zava-maha­domelina Anosy (Stup) teny 67 ha Avaratra, ny 5 febroary 2024 teo, izy telo lahy voarohirohy ireo noho ny fivarotana katy. Maro […]

Halatra omby: dahalo iray lavon’ny bala

Namoy ny ainy voatifitry ny Tafika nanara-dia ny iray tamin’ireo dahalo 15 nanafika tao amin’ny tanànan’i Berano-ville, distrikan’Amboasary Atsimo, faritra Anosy, afakomaly. Nalain’ireo dahalo nitam-piadiana an-keriny ny omby 37 tao amin’io tanàna io. Niray hina ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana miasa ao an-toerana ka nanao ny fanarahan-dia. Naharay fampandrenesana […]