Nirehitra ny sabotsy tamin’ny 12 ora alina teo, ny Bazary kely Toamasina. Niredareda ny afo, nifampitaona namono izany ny fokonolona sy ny vondrona mpamonjy voina. Niainga avy tao amin’ny tranoheva fivarotana vokatra malagasy “Art malagasy” ny afo, raha ny angom-baovao natao tany an-toerana. Efitra tsy misy herinaratra ary tsy nisy […]
Tranga
Tsy fahazoana vatsim-pianarana : Nidina an-dalambe ireo mpianatr’i Maninday
Nitokona sy nidina an-dalambe, omaly, ireo mpianatra eo anivon’ny Oniversiten’i Maninday Toliara. Nilanja sorabaventy sy nandoro kodiarana noho ny fahatapahan’ny jiro ao amin’ny Campus, efa nandritra ny 5 andro, izy ireo. Teo koa ny tsy fahazoana vatsim-pianarana sy fampitaovana efa ho enim-bolana. Tanjon’ireo mpianatra ny hanairana ireo tomponandraikitra manoloana ny […]
Vokatry ny lozam-pifamoivoizana: Iray maty, 135 tonga nanatona hopitaly nandritra ny fetin’ny Paka
Raha ny tatitra vonjimaika voaray teo anivon’ny hopitaly HJRA omaly, olona iray no maty nandritra ny fetin’ny Paka. Nahatratra 135 kosa ireo nanatona hopitaly. Vokatry ny lozam-pifamoivoizana ny ankamaroan’izany. Olona iray no fantatra fa maty nandritra ny fankalazana ny fetin’ny Paka, ny alahady sy ny alatsinainy lasa teo, raha ny […]
Sprinter nodomin’ny kamiao: Olona iray maty teny amin’ny RN2
Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina teny amin’ny lalam-pirenena faharoa, Tanandava Toamasina, omaly tamin’ny 3 ora. Fiara sprinter iray, mpitatitra olona avy any Brickaville hihazo an’i Toamasina, no nodomina kamiao lehibe iray. Vokany, vehivavy iray, mpandeha tao anatiny, no maty tsy tra-drano. Tsy mbola fantatra mazava kosa ny isan’ireo naratra. Anisan’ny naratra mafy, […]
Famonoana raim-pianakaviana: Voasambotry ny polisy ny vadiny sy ny zanany lahy
Voasambotry ny polisy omaly ilay ramatoa, 50 taona, sy ny zanany lahy, 30 taona, nanao herisetra, namono raimpianakaviana tany Toamasina I. Taorian’ny fiparitahan’ny horonantsary tamin’ny tambajotran-tserasera, izay nahitana ilay raim-pianakaviana 71 taona niharan’ny herisetra nataon’ny vady aman-janany. Nandray andraikitra avy hatrany ny polisy nanao ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo […]