Notafihan’ny jiolahy mitam-piadiana ny fianakaviana iray, teny Manandriana Avaradrano, afakomaly alina. Voaroba ny vola 60 000 Ar, solosaina finday. Nanohitra tamin’ny vely vy tao anaty haizina ny tompon-trano, kinanjo izy mianakavy no nifandratra. Nitrangana fanafihana mitam-piadiana indray teny Manandriana Avaradrano. Lasibatra ny tokantrano iray, ny alin’ny alatsinainy nifoha talata. Niditra […]
Tranga
Andoharanofotsy : Lehilay iray maty nianjera tamin’ny moto
Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tetsy Andoharanofotsy, omaly alina, tamin’ny 12 ora sy sasany tany ho any. Niseho teo amin’ny fokontany Mahalavolona, kaominina ambanivohitra Andoharanofotsy, distrikan’ Antananarivo Atsimondrano ny loza. Lehilahy iray 25 taona, nitondra moto avy any amin’ny lalam-pirenena fahafito iny no niharan-doza. Nandeha mafy izy ary nianjera rehefa […]
Ikopa : Lehilahy iray mpaka fasika, maty
Lehilahy iray, 22 taona, maty an-drano tetsy amin’ny ranon’Ikopa, manamorona an’Andohatapenaka, teo ampitan’ny Gara routiere, omaly maraina tamin’ny 9 ora tany ho any. Roa lahy no niaraka naka fasika teny amin’io rano io, nanomboka ny maraina, raha ny fanazavan’ny olona nanatri-maso. Nandeha lakana izy ireo ary rendrika teny afovoan-drano noho […]
Naka an-keriny zaza 6 taona : 11 mianadahy tratra, iray maty voatifitra
Efa nahazo 3 tapitrisa Ar tamin’ny volabe notakiany tamin’ny ray aman-drenin’ilay zazavavy 6 taona natao takalonaina ireo mpaka an-keriny, tao Mahitsy, ny 16 mey teo. 11 mianadahy hatolotra ny fampanoavana. Saron’ny zandarimaria ireo olon-dratsy ka avotra soa aman-tsara ny zazavavy 6 taona takalonaina, tao amin’ny fokontany Masinandriana, kaominina Mahitsy, ny […]
Raim-pianakaviana namono tena : Mpianaka niara-maty voahitsaky ny kamiaobe
Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tany amin’ny lalam-pirenena faharoa iny, afakomaly tamin’ny 11 ora atoandro. Niseho teo amin’ny amin’ny toerana antsoina hoe : Andriaka, tsy lavitra an’Anjiro, distrikan’i Moramanga ny loza. Moto iray notaingan’olon-droa no nidona mafy tamin’ny kamiao mpitatitra entana iray teny an-toerana. Avy aty Antananarivo hihazo an’i Moramanga ilay […]




