Tranga

Famonoana mpandraharaha : dimy lahy naiditra am-ponja

Notanana am-ponja, taorian’ny fitsarana azy, ny zoma 26 janoary teo avokoa, ireo dimy lahy namono mpandraharaha tao amin’ny fokontany Tsararano, kaominina Berivotra 5/5, distrikan’i Maevatanana. Raim-pianakaviana iray mpanangom-bokatra no maty novonoin’ireo jiolahy tamin’ny fomba feno habibiana, ny 6 janoary 2024 maraina. Voakapa famaky teo amin’ny lohany izy, tsy vitan’izay fa […]

Tsenan’ Andravoahangy: lehilahy voatifitra teo amin’ny tratrany

Nirefotra ny basy tao amin’ny tsenan’Andravoahangy. Lasan’ny jiolahy ny vola. Mpandalo iray voatifitra. Norobain’ny jiolahy telo lahy mitam-piadiana ny vola 4 tapitrisa Ar tao amin’ny tsenam-barotra iray etsy Andravoahangy, afakomaly atoandro. “Nijoro teo alohan’ny tsena ny lehilahy iray nitana basy ary niditra nitaky vola ny roa lahy”, hoy ny tompon-tsena lasibatra. […]

Torimaso fotsy: mpamily taksiborosy maty tsy tra-drano

Nidona tamin’ny kamiao! Namoy ny ainy ny mpamily taksiborosy iray tra-doza tao Antsirabe, afakomaly misasakalina. Miseholany ny lozam-pifamoivoizana. Taksiborosy mampitohy an’Antananarivo sy Fianarantsoa niharan-doza teo amin’ny lalam-pirenena fahafito (RN7) tao Andrano­manelatra- Antsirabe, ny alin’ ny alakamisy hifoha ny zoma 26 janoary. “Reraka ka azon’ ny torimaso io mpamily io”, hoy […]

Matin’ny miaramila : valo lahy indray voatifitra

Mafy ny fifandonana teo amin’ny miaramila sy ny dahalo tao Ankazonambolena, fokontany Fotadalina, kaominina Ikalamavony, afakomaly. Dahalo valo indray maty voatifitra, basy roa azo teny amin’ireo malaso… Tafika avy ao amin’ny holafy fahatelo, brigade infanterie Ikalamavony, niaraka tamin’ny zandary no nifanehatra tamina andian-da­halo mpanao fanafihana tao an-tanànan’Ankazonam­bo­le­na, fokontany Fotadalina, kaominina […]

427 nivoaka ny fonja : mirongatra indray ny asan-jiolahy ao Toamasina

Misy ifandraisany ! Tsy la­tsaky ny 20 hatramin’ny 30 isa ny olona tonga manao fitarainana eny anivon’ny fokontany, zandary ary ny polisim-pirenena fa iharan’ny asan-jiolahy : fanendahana, vaky trano, sinto-mahery. Raha ny fanadihadiana natao, misy ampahany amin’ireo voafonja vao nahazo fanalefahan-tsazy farany teo ny sasany amin’ireo jiolahy manao ny asa […]