Tranga

Nitrandraka volamena: Dimy mianadahy maty tototry ny tany

Maty teo am-pitrandrahana volamena, tototry ny tany, ny dimy tamin’ireo fito mianadahy niharan-doza tao Mananjary, ny alakamisy 17 avrily teo. Mpihady volamena dimy mianadahy niara-namoy ny ainy nianjeran’ny ranontany tao amin’ny fokontany Ambalakazaha, kaominina Vohilava, distrikan’i Mananjary, afakomaly alina tamin’ny 11 ora. Efa nisehatra an-taonany maro ireo mpitrandraka volamana ireo. […]

Tsaratanàna: Mpaka an-keriny roa lahy maty voatifitra

Lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana ny mpaka an-keriny roa lahy tao Ambohi­tranivo, kaominina Manakana Vohimbohitra, distrikan’i Tsa­ratanàna, ny 15 avrily teo. Naka takalonaina saingy tsy nahatontosa izany, tao amin’ny fokontany Ambohitrarivo, kaominina Brieville, ireo olon-dratsy ireo, ny 6 avrily. Na­mono olona tamin’ny fanafihana tao amin’ny fokontany Mandribe, ny 11 febroary lasa […]

Mpamatsy basy dahalo : Ombiasy sy olona roa naiditra am-ponja

Lehilahy mpanamboatra basy vita malagasy maty voatifitra ary olona telo voasambotra ka notanana am-ponja ao Faranfangana, ny alarobia 16 avrily teo. Nahazoan’ny zandary alalana ho savaina fa nampiahiahy ny tranon’io raim-pianakaviana io, tao Lokandambo, kaominina Anosivelo, ny 11 avrily lasa teo. Trano roa voasava tamin’io fotoana io ka nahatrarana fitaovam-piadiana […]

Nanolana nandritra ny herintaona : Raikely naiditra am-ponja eny Tsiafahy

Voasambotra tamin’ny alahady ilay raikely, nanolana ny zana-badiny, teny Ambohimamory Itaosy. Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy izy, taorian’ny fitoriana napetrak’olona tsara sitrapo iray. Nanomboka ny taona 2024 ity ankizivavy ity no niharan’ny fanararaotana ara-nofo nataon’ny raikeliny. Noheverin’ny maman’ ity zaza fa mifankahazo am-po izy mianaka ka tsy nanampo na inona […]

Fankalazana ny Paka : Hitombo isa ny polisy eny an-kianja

“Hamafisina ny fandriampahalemana manerana ny Nosy”, hoy ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny polisim-pirenena, ny contrôleur général de Police Rakotozanany Dany Marius, omaly. Hiampy ny isan’ireo mpitandro filaminana hisehatra eny an-kianja, mialoha, mandritra ary aorian’ny fetin’ny Paka, ho an’ny Reni­vohitra. Manoloana ny tranga tsy fandriampahalemana miseho matetika, hanamafy ny fanaraha-maso sy fisafoana […]