Manoloana ny fanjavonana zanaka malagasy, miafara amin’ny famonoana ho faty azy ireny, nanao fanambarana tamin’ny mpanao gazety, tetsy amin’ny Lapan’i Mahazoarivo, ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana, omaly hariva. «Tsy afaka handefitra ny tenany, amin’ny maha Praiminisitra azy, fa vonona hiatrika ady, na iza na iza ambadik’ireny tranga fanjavonana sy vono olona […]
Tranga
Fiara nivarina tany anaty rano : Lehilahy roa namoy ny ainy tetsy Tsarasaotra
Nahitana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tetsy amin’ny Rocade Tsarasaotra, fokontany Sampanana Ambodifasina, kaominina Ambatolampy Tsimahafotsy, distrikan’ Ambohidratrimo, afakomaly alina tamin’ny 11ora alina mahery tany ho any. Olona nandalo no nahita ny tranga ka nampandre ny mpitandro filaminana. Tonga nampakatra ny fiara sy nikaroka ireo olona tao anatiny ny mpamonjy voina. […]
Hala-jaza sy olona very : Ankizy telo hita faty tao anatin’ny herinandro
Mampihoron-koditra ny manokatra Facebook, amin’izao fotoana. Mirarakompana ny olona very. Ankizy 12, 14 sy 19 taona ny telo tamin’ny olona efatra hita faty teto Antananarivo Renivohitra, nanomboka ny 1 jolay teo. Tsy honohono fa tena misy ny mpangalatra olona, ankehitriny. Tsy vitan’izany fa mbola mamono sy manala na maka taova […]
Lozam-pifamoivoizana teny Nanisana: Nitolo-batana eny amin’ny polisy ilay mpamily
Atao famotorana eny anivon’ny mpitandro filaminana ny teratany Indianina nitondra fiara tsy mataho-dalana nandona olona teny Nanisana, ny sabotsy 04 jolay teo. Niparitaka nanerana ny tambajotran-tserasera ny sarin’ny lehilahy iray nihoson-dra voalaza fa nodomin’ny fiara 4×4 miloko mena teny Nanisana, boriborintany fahadimy, ny sabotsy lasa teo. Nifamonjen’ireo nanatri-maso io olona […]
Antohomadinika : Nitokona ny mponina
Nilanja sorabaventy ireo mponina eny amin’ny fokontany Antohomadinika Atsimo, boriborintany voalohany, omaly. Nitsipaka ny fametrahana ny sefo fokontany vaovao izy ireo. « Tsy manaiky filoham-pokontany vaovao izahay. Aleo fidiana izay hitantana », hoy ny fanazavan’ny solontenan’ireo mpitokona teny an-toerana. Manohana hatrany ny sefo fokontany teo aloha ireo nilanja sorabaventy, araka ny angom-baovao. […]




