Tranga

Antanetibe Mahazaza : mpamaky fasana lavon’ny zandary

Lavon’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Mahitsy, omaly, ny roa tamin’ireo efa-dahy nangalatra taolam-paty. Efa-dahy niloloha gony no nifanehatra tamin’ireo zandary mpanao fisafoana tao Ambohidranomanga, kaominina Antanetibe Mahazaza. Nirifitra nitsoaka avy hatrany izy ireo rehefa nanaraka ny zandary. Nitsoaka niaraka tamin’ny gonibe ireto farany saingy tsy namelan’ny zandary fa tsy […]

Ambohibao-Ambohidratrimo: loham-behivavy tao anaty dabam-pako

Zava-doza! Nisy nanary tao anaty dabam-pako, teny Morondava Antehiroka, ny loham-behivavy iray. Nahitana karandohan’olona hafa koa teny Soamananety. Samy etsy amin’ny distrikan’Ambohidratrimo ireo. Loham-behivavy iray hita tao anaty daba fanariam-pako, tao amin’ny fokontany Morondava, kaominina Ambohibao Antehiroka, oma­ly. Olona sendra nandalo no nahatsikaritra ny fisian-javatra hafahafa. Rehefa nojeren’izy ireo, lohan’olona […]

Mpianaka niara-maty: tokantrano iray notetezin’ny varatra

Notetezin’ny varatra ny tranon’izy eni-mianaka teny Lavahitsiny Anosiala, distrikan’ Ambohidratrimo, afakomaly alina. Namoy aina telo ny fianakaviana. Vehivavy mpianaka niara-maty izay bevohoka fito volana ny iray. Mafy ny manjo ny fianakaviana iray, monina eny Lavahitsiny, Kao­mi­nina Anosiala, distrik’Am­bohi­dratrimo. Maty nilatsaham-potaka ny renim-pianakaviana roa tao an-trano. Nindaosin’ny fahafatesana teo amin’ny faha-42 […]

Nanendaka mpandeha : naiditra am-ponja ilay mpamily taxi-be

Nidoboka am-ponja, oma­ly, rehefa avy natolotra ny fampanoavana, ilay mpamily taxi-be nivadika ho nanao asan-jiolahy tamina mpandeha iray teny Andranomena, ny alahady teo. Mbola nangingina ny andro, sendra irery tanaty fiara ny renim-pianakaviana iray. Teo no nararaotin’ity mpamily sy ny namany norobaina. La­san’izy ireo ny vola 165 000Ar, niampy ny entana […]

Andohatapaneka : roa lahy tratra nangalatra bateria

Naiditra am-ponja vonjimaika ny jiolahy roa tompon’antoka tamina halatra baterian-jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro. Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahafito (CSP7) 67 ha ireto jiolahy ireto. Tratra nangalatra bateria amin’ireo andrin-jiro amin’iny faritra Andohatapenaka iny ry zalahy ireto. Nandritra ny fisafoana fanaon’izy ireo mahazatra, teny amin’iny faritra […]