Tranga

Taksiborosy sy kamiao nifandona : maty tsy tra-drano ny mpamily iray

Nifandona ny fiara mpitatitra olona sy ny kamiao lehibe iray, omaly, teny amin’ny lalam-pirenena fahafito. Vokany, olona roa namoy ny ainy ka mpamily ny iray. Nifatratra tamin’ny kami­ao­be nifanoha-dalana taminy ny taksiborosy iray tao Ikianja, kaominina Ilaka Centre, eny amin’ny lalam-pirenena fahafito, omaly tolakandro. “Niainga tao Ambositra nikasa hihazo an’i […]

Distrikan’i Besalampy : dahalo efa-dahy maty voatifitra

Dahalo efa-dahy maty voa­­tifitry ny zandary tao amin’ ny fokontany Bekoky, kaominina Bekodoka, distrikan’i Be­salampy, afakomaly. Nifa­nena tamin’ny dahalo efatra mirahalahy nitondra omby ha­latra ny zandary roa lahy, ta­min’ny 4 ora maraina. Nofo­tompotorina ireto olon-dratsy ka niaiky fa omby halatra ireto tratra teny aminy ireto. Nenti­na hihazo ny biraon’ny zandary, araka izany, izy efa-dahy. […]

Hetsi-bahoaka: nifamono ny samy sivily

Nifandatsa-dra ny samy sivily tetsy Andavamamba, omaly. Andaniny ny mpanohana ny kandidà 11, ankilany ny mpomba ny kandida n°3. Nisy ny vaky loha sy potika fananana. Nifandona indray, ny mpanao diabe, tarihin’ny kandidà 11 sy ny mpanao fampielazan-kevitry ny kandidà laharana fahatelo, teny Andavamamba, omaly atoandro. Fifampihantsiana sy fifandranitana no tena nahatonga […]