Nodimandry omaly tamin’ny 1 ora maraina, teny amin’ny hopitaly HJRA ilay renim-pianakaviana, 30 taona, voadonan’ny fiara tapaka hisatra tetsy Behoririka, afakomaly maraina. Namela kamboty telo mianadahy izy ary vao efa-bolana ny farany izay niara-voadonan’ny fiara taminy. Hitondra ny raharaha eny anivon’ny fitsarana ny fianakavian’ny maty aorian’ny fandevenana, raha ny fanazavana […]
Tranga
Ankizilahy maty nokendaina : Novonoin’ny raikeliny tamin’ny tadim-poketra
Maty novonoina tao an-tranony ny ankizilahy vao 10 taona monja. Nofatorana tamin’ny talantalana amin’ny fitoeran-damba sy nokendaina tamin’ny tadim-poketra izy. Ahina ho tompon’antoka ny raikeliny. Zava-doza! Ankizilahy iray tokony ho 10 taona no maty novonoina, omaly maraina. Tany amin’ny tanànan’i Beronono, fokontany Soanafindra, kaominina ambonivohitra sy distrika Tsiroanomandidy no nitrangan’izany. […]
Behoririka: Olona dimy naratra voafaokan’ny taxi-be
Nitrangana lozam-pifamovoizana indray tetsy Behoririka, tamin’ny lalana Dokotera Ramisaray, omaly tamin’ny 10 ora sy sasany maraina. Tsy fahatomombanana teo amin’ny fiara Mercedes-Benz Sprinter, zotra 199, ny antony niavian’ny loza. Avy any Analakely hihazo an’i Behoririka io fiara io, no tapaka hisatra tampoka teo am-pidinana ka nifaoka olona. Voafaokany voalohany, nandritra […]
Vaky fasana : Lehilahy nahitana taolam-paty iray gony
Voasambotry ny mpitandro filaminana tao amin’ny trano fonenany ny lehilahy iray nihazona taolam-paty iray gony, tao Ampasimototra, fokontany Mahatsinjo II, kaominina Vohipaho, distrikan’i Vangaindrano, ny 12 avrily teo. Nahatsikaritra fihetsika hafahafa tamin’io lehilahy io ny mponina manodidina. Nampandre avy hatrany ny miaramila miasa ao an-toerana izy ireo. Natao ny fikarohana […]
Fandrobana mpanao aferam-bato: Vola 40 000Ar no namonoana ilay Sinoa
Maty noho ny tsindron’antsy natao azy ny teratany sinoa iray, afakomaly. Vola 40 000 Ar no nangalarin’ireo jiolahy nandroba azy. Mpanao aferam-bato ity lasibatra Mpanatitra vato sarobidy ao amin’ilay teratany sinoa ihany no tompon’atoka tamin’ny famonoana azy, tao amin’ny fokontany Ambondrona, kaominina renivohitra Mahajanga, ny alatsinainy 14 avrily teo. Hiditra […]