Tranga

Bila, mpilalaon’ny Elgeco Plus : Hita faty, feno ratra tetsy Ankaditoho

Hita faty tetsy Ankaditoho Tsimbazaza, afakomaly ma­raina tamin’ny 6 ora, Ranaivo­son Ndratoarilala, na i Bila, lehilahy 32 taona. Teo akaikin’ny sekoly FPVM no nahitan’ny mponina ny vatana mangatsiakany. Olona nandeha maraina no nahatsikaritra izany ka nampandre ny sefo fokontany. Ity farany no nampahafantatra ny zava-nisy ta­min’ny polisim-pirenena. Mbola hita teny […]

Mandrosoa Ivato : Fito mirahavavy notanana am-ponja

Notanana vonjimaika any am-ponja ireo fito mirahavavy voasaringotra tamin’ny halatra solosaina tao amin’ny tranombarotra iray eny Mandrosoa Ivato, kaominina Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo, afakomaly. Niditra tao amin’ny toeram-pivarotana iray, mody mampiresaka ny mpivarotra ny roa tamin’ireo andiam-behivavy. Raha toa ka mbola misy mpiasa hafa, miditra an-tsehatra indray ny roa vavy hafa ary […]

Tovolahy maty voatsindrona antsy : Tompon’antoka ny ray aman-drenin’ny sipany

Nifanao fotoana ary avy eo notsatohin’izy ireo antsy, ny lehilahy iray, izay sipan’ny zanany vavy tetsy Anosipatrana. Ny ray aman-drenin’ilay tovovavy no tompon’antoka sy atidoha nikotrika ny vono olona. Olona dimy naiditra vonjimaika am-ponja. Naiditra vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antani­mora, afakomaly, ireo olona dimy mianaka, izay voarohirohy tamin’ny famonoana lehilahy iray […]

Kaominina Tsifota : Notampenan’ilay teratany vahiny ny lalana

Nambaran’ny loharanom-baovao iray fa mihetraketraka ao amin’ny kaominina Tsifota, Toliary II, ny teratany vahiny iray. Nohidiny tsy azo andehanana intsony ny lalam-bahoaka. Manana trano fandraisam-bahiny izy ary mbola nividy tany hafa, elanelanin’ny lalana amin’izany toerana izany. No­tampenany ny lalana, raha nanaja ny fahafahana mampiasa izany avokoa ireo rehetra mipetraka amin’io […]

Nihinana composé : Olona 69 niara-narary

Olona 69, miara-tsaboina eny anivon’ny hopitaly HJRA Ampe­filoha, nanomboka ny alahady lasa teo. Nihinana composé tamina tsena mpivarotra hani-masaka tetsy Namontana izy ireo, ny zoma sy sabotsy lasa teo, raha ny fanazavana voaray. Nanomboka narary sy hafahafa ny toe-pahasalaman’izy ireo, taorian’ny fihinanana io sakafo io. Samy narary kibo, nandoa sy […]