Naiditra am-ponja vonjimaika rehefa avy natolotra ny fampanoavana, omaly, ny andian-jiolahy tompon’antoka tamina halatra kisoa. Ny 2 desambra 2023 lasa teo no nitrangan’izany halatra izany tao Andasy, fokontany Ambohitremo Ambohimalaza. Tao amina toeram-piompiana lehibe no niditra an-tsokosoko ireto mpangalatra kisoa ireto. Nopotehin’ireo olon-dratsy mialoha ny jiro manazava io toeram-piompiana io […]
Tranga
Fanandevozana sy vono olona : afaka madiodio ry pasitera efa-mianaka
19 volana aty aorian’ny nitazomana azy mianakavy tany am-ponja, afaka madiodio ry pasitera efa-mianaka. Nampangaina ho nanandevo sy namono tovolahy iray taizany izy ireo. Niakatra teo anoloan’ny fitsarana ambony misahana ny ady heloka bevava andiany faharoa, ny antontan-taratasin’ady laharana faha-119-Toa/22-1333-RP/22, afakomaly. Raharaha izay nahavoarohirohy pasitera iray. Voampanga ho nanao fanandevozana […]
Ambatomainty : taolan-dava efatra lasan’ny mpangalatra
Nitrangana vaky fasana tao Ankiranomena fokontany Andoharano, distrikan’Ambatomainty, afakomaly. Nahazo fitarainana avy amin’ny tompom-pasana ny kaomandin’ny boringadin’Ambatomainty. Nidina nanao fanadihadiana avy hatrany ny zandary. Voamarina ny tranga nandritra ny fizahana ny toerana. Vato mifanongoa voajanahary ity navadika ho natao fasana fandevenana ity. Nisy nanokatra anefa ny fasana. Lasan’ireo mpangalatra tamin’izany […]
Vonoan’olona tao Anjeva Gara : Matoky ny fitsarana ny fianakaviana
Hiakatra fitsarana rahampitso ao amin’ny efitrano fitsarana raharaha ady heloka bevava, Lapan’ny Fitsarana Anosy, ny raharaha vonoan’olona feno habibiana teny Amboalefoka Anjeva Gara, ny talata 18 avrily 2023 teo. Renim-pianakaviana iray mpandraharaha no niharan’ny vonoan’olona. Olona 11 ireo voampanga. Anisan’ireo voarohirohy ho tompon’antoka tamin’izany ny vadiny. Torak’izany ny vehivavy iray, […]
Itaosy : lehilahy maty voatsatok’antsy
Lehilahy iray vao erotrerony hitan’ny fokonolona nihosin-dra nitsirara tamin’ny tany tao amin’ny fokontany Ambohijanamasoandro Itaosy, omaly maraina. Tsy nisy aina intsony io lehilahy io ary nihohoka. Voaletra antsy teo amin’ny ambavafony io lehilahy io. Mpandalo vao maraina no nahatsikaritra ny fisiany ka nampandre avy hatrany ny manodidina. “Tsy mbola misy […]