Tranga

Maty teny Ambohitrimanjaka: Natao fombafomba vao hita ny razana

Nanaovana fombafomba araka ny fanaon’ny mponina eny an-toerana ny fitadiavana ny nofo mangatsiakan’ilay tovolahy 23 taona, maty namono tena tao amin’ny ranon’Ikopa, teny Ambohitrimanjaka, ny alahady tamin’ny 8 ora alina lasa teo. Tonga teny amin’ny ranon’Ikopa ireo fianakaviana sy ny fokonolona nanatanteraka izany, ny alatsinainy maraina. Rehefa tsy nahita azy teny […]

Raindahiny amin’ny fisolokiana : Tratra i Delary sy i Odilon, mpisandoka ho zandary

Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny Sampana fikarohana heloka bevava, omaly, i Jacques Delary sy Ranaivo Arison Odilon, mpisandoka ho zandary. Nokarohin’ny mpitandro filaminana hatry ny ela tao Toamasina izy roa lahy ireto. Heloka hanenjehana azy ireo ny fisolokiana sy fisandohana ho manamboninahitra zandary ary fampihorohoroana ­olo­na amin’ny alalan’ny antso […]

Hetsika sendikaly : Navotsotry ny zandary ireo mpampianatra roa

Navotsotry ny zandary, omaly, ireo mpampianatra roa, voasambotra nandritra ny hetsika fitakiana nataon’ny sendikà eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny ala­tsinainy lasa teo. Tonga teny amin’­ny Sampana fikarohana heloka bevava, eny Fiadanana, nanontany ny antony nisamborana ireo mpikambana roa lahy ireo sendikà, omaly. Fotoana nahafahana nanao ny hetsika firaisankina sendikaly, mba […]