Lehilahy iray 50 taona teo ho eo, namoy ny ainy, voadona sy voahitsaky ny fiara taxi-be iray mampitohy an’Itaosy sy Analakely, omaly tamin’ny 5 ora sy fahatelony maraina. Teo amin’ny lalana Anosimasina Itaosy, akaikin’ny Ocada hidina an’Ampasika no nisehoan’ny loza. Nandeha tamin’ ny sisin-dalana ity lasibatra ity no voafaokan’ny fiara. […]
Tranga
Fanafihana mitam-piadiana : Jiolahy fito naiditra am-ponja
Notanana vonjimaika any am-ponja ny jiolahy fito mpanao fanafihana mitam-piadiana tao Fianarantsoa, afakomaly. Tambajotran-jiolahy roa samy hafa ravan’ny polisim-pirenena tao an-toerana, tao anatin’ny efatr’andro. Naharay fitarainana maro ny sampandraharaha manokana eo anivon’ny ny polisy momba ny tranga tsy fandriampahalemana. Mitam-basy ireo mpanao ratsy ka nandroba tokantrano sady nanendaka. Nanao hetsika […]
Niakatra tosidra tampoka : Mpamily taksiborosy torana teo ambony familiana
Safotra tampoka sy nahatsiaro ho fanina teny am-pandehanana, teo amin’ny toerana antsoina hoe: Sahavalaina (70 km tsy hidirana an’i Toamasina), ny mpamily iray, omaly hariva. Nitondra fiara taksiborosy avy aty Antananarivo hihazo an’i Toamasina izy tamin’io. “Najanona ny fiara ary torana sy nikainkona ny tanany sy ny tongony”, hoy i […]
Nanaparitaka horonantsary mamoafady : Teratany vahiny naiditra am-ponja ao Mahajanga
Notanana am-ponja vonjimaika ao Marofoto Mahajanga ny teratany vahiny iray 69 taona, tratra nanaparitaka sary mamoafady, ny 7 mey teo. Voasambotry ny polisy miady amin’ny heloka ana habaka taorian’ny fiaraha-miasan’izy ireo sy ny fikambana “Child Rescue Coalition” any Etazonia, io lehilahy io. Naharay loharanom-baovao ny polisy fa misy olona mivelona […]
Maroantsetra : Rongony 30 kg tra-tehaka
Zava-mahadomelina 30 kg saron’ny fokonolona tao Ampitsahantelo, fokontany Soanierana, kaominina Maroantsetra, ny 6 mey teo. Nentina roa lahy tamin’ny sakaosy ireo rongony ireo. Nampiseho fihetsika hafahafa ireo roa lahy rehefa nahatazana olona tamin’ny lalana, tamin’ny 10 ora maraina. Nasaina nijanona hanaovana fanadihadiana izy ireo saingy nandositra. Natsipin’izy ireo avy hatrany […]





