Azo teny am-pelatanan’ireo mpangalatra i Mahery, ilay zazalahy vao herintaona nangalarin’olona ny 1 desambra 2023 lasa teo, teny Soamanantombo. Nangataka vola mitentina 7 hetsy Ar ho sandan’ny famotsorana azy tamin’ny ray aman-dreniny sy ny fianakaviany anefa ireo mpangala-jaza. Nanao ny vela-pandrika avy hatrany ny zandary afakomaly. Tratra tao amin’ny fokontany […]
Tranga
Mpaka an-keriny an-jatony : mihorohoro Ankazobe !
Nahoraka tao anatin’ny distrik’Ankazobe omaly, ny feo mahakasika ny fisian’ny adian-jiolahy misy mpikambana 30. Mihorohoro ny mponina ka miverina matory any an-tsaha. Tsy milamina ny ao Ankazobe ! Velon-taraina amin’ny hafitsoky ny mpaka an-keriny ny mponina. Voatery mitsoa-ponenana aty an-drenivohitra izay marefo. Mijanona an-tanàna fa mandry an-tsaha kosa amin’ny alina […]
VOLA SANDOKA : jiolahy roa nahatrarana vola 1 080 000Ar
Mitohy ny famotorana ataon’ny zandary ireo jiolahy roa nahatrarana vola sandoka mitentina 1 080 000Ar tao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Milanoa, distrikan’i Vohémar, ny 29 novambra 2023 teo. Mampitaraina ny mponina ny fisian’ireo vola sandoka miparitaka ao amin’ ity kaominina ity ka antony nahatonga ny zandary nanao hetsika manokana hamongorana sy hikarohana ireo […]
Mavogisa : dahalo iray maty voatifitry ny zandary
Dahalo iray rotiky ny balan’ny zandary nandritra ny fifandonana tao Mavogisa, fokontany Filanjaza, kaominina Ankilizato, omaly maraina. Nanao fanarahan-dia omby halatra ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ankilizato, rehefa nahazo antso momba ny fisiana dahalo manao fanafihana ao amin’io fokontany io. Dahalo am-polony nirongo basy sy lefona no tompon’antoka tamin’izao […]
Karana vavy voatifitra, very vola iray sakaosy
Lasibatry ny asan-jiolahy tetsy Namontana ny karana mpivady, omaly maraina. Voatifitra teo amin’ny lohany ramatoa. Lasan’ny efa-dahy nitondra basy ny sakaosy nisy vola. Voatifitra teo amin’ny faritry ny lohany, tsy nahatsiaro tena ilay karana vavy norobain’ny jiolahy efa-dahy teny amin’ny fokontany Namontana, Boriborintany fahefatra, omaly maraina. Nanao taingin-droa niaraka tamin’ny […]