Nirefodrefotra ny basy tany amin’ny bazary vorondolo Ambolomadinika Toamasina afakomaly. Lavo nandritra ny fifanenjehana tamin’ny polisy ireo jiolahy miisa dimy, malaza amin’ny fanafihana mitam-piadiana. Lavon’ny balan’ny polisy tany oamasina, afakomaly alina, ireo jiolahy miisa dimy. Malaza amin’ny fanafihana mitam-piadiana sy fampiasana zava-maranitra (antsy) any an-tampon-tanàn’i Toamasina izy ireo. Nifanenjehana tao […]
Tranga
Herinandro nifampitadiavana: Tambajotra mpangalatra taribin-jiro tratra
Enin-dahy mpangalatra taribin-jiro an’ny orinasa Jirama voasambotry ny zandary ao amin’ny Vondron-tobim-pileovana Atsinanana, ny talata 6 mey teo. Nitrangana halatra tariby teny amin’ny lalam-pirenena faharoa, PK 322, tamin’ny 25 avrily lasa teo. Nalain’ny olon-dratsy avokoa ny taribin-jiro miasa amin’ny fokontany Antanambiriky, Antananambo, hatrany Melville. Nahatratra 1 020 metatra ny refin’ny tariby […]
Mpangalatra tany tetsy Ambodivona: Olona enina naiditra eny Antanimora
Niakatra fampanoavana ny 5 sy 6 mey, tetsy anivon’ny Pac 67ha, ireo olona 31 voarohirohy tamin’ilay raharaha fivarotana tanin’olona iray tetsy Ambodivona. Nalefa vonjimaika eny amin’ny fonjaben’Antanimora ny enina tamin’izy ireo. Nahitana lehilahy efatra sy vehivavy roa. Eo ambany fanaraha-mason’ny Pac kosa ny olona valo mianadahy hafa, mandra-piandry ny fitsarana […]
Saika hanondrana volamena : Teratany Sri-lankais naiditra am-ponja eny Tsiafahy
Nampidirina am-ponja eny Tsiafahy ilay teratany Sri-lankais, saika hanondrana volamena tany Dubaï, tratra ny sabotsy teo. Nilanja efatra kilao ny entana sarobidy teny aminy. Niakatra fampanoavana, omaly, tetsy anivon’ny Pôle anti-corruption (Pac) 67ha ilay teratany Sri-lankais. Voarohirohy nikasa hanondrana antsokosoko volamena milanja 3,885kg ho any Dubaï, ny 03 mey lasa […]
Ady tany nitera-doza : Telo mianaka voafira antsy, olona 5 voasambotra
Notanana atao andrimaso eny anivon’ny zandarimaria ireo dimy lahy nandratra telo mianaka vokatry ny ady tany tao amin’ny fokontany Mahazina, kaominina Ilaka Centre, distrikan’Ambositra, ny alatsinainy maraina tamin’ny 9 ora. Nitrangana disadisa teo amin’ ny fianakaviana roa samy hafa monina anatin’io fokontany io. Nijinja vary teny an-tsaha ilay fianakaviana iray. […]





