Tranga

Antaninandro : mpangalatra anaty fiara voasambotra

Lehilahy iray mpangalatra anaty fiara mipetraka amoron-dalana nosamborin’ny polisy rehefa tratra teo am-pisokirana ny vatoaratra an’ny fiara iray, tetsy Antaninandro, omaly. Malaza ratsy amin’ny fisian’ny mpangalatra anaty fiara teny an-toerana, nanaovana vela-pandrika io olon-dratsy io. Noraisim-potsiny teo am-panatanterahana ny asa ratsiny, ny alin’ny alahady 19 novambra teo .Ankoatr’io, voasambotry ny […]

Halatra finday : lahiantitra nolerana zava-maranitra

Finday miisa roa no namonoan’ny jiolahy telo nisaron-tava ny raim-pianakaviana iray, 63 taona, tao Mandiavato. Olona roa hafa naratra, voavely tamin’ny vatan-kazo. Namoy ny ainy vokatry ny daroka sy vono na­taon’ny jiolahy, ny raim-pianakaviana iray. Tao amin’ ny fokontany Antampontsena, kaominina Mandiavato, distrikan’i Miarinarivo no niseho­an’izany, ny alatsinainy teo. Nodakadakan’ny […]

Trafikana sokatra: lehilahy iray voasambotra

Lehilahy mpanao trafikana sokatra saron’ny zandarimaria tao Ejeda, faritra Atsimo Andrefana, ny 16 novambra teo. Nitondra karazan-tsokatra «sokake» miisa 16 io lehilahy io. Manana mpiasa telo lahy hafa izy saingy nitsoaka nandositra ireo namany ireo rehefa tonga nanao ny fanadihadiana lalina ny mpitandro filaminana. Nogiazana ary natolotra ny sampan-draharaha manokana […]