Naiditra am-ponja, omaly, ireo telo lahy namono nahafaty raim-pianakaviana teny Ambohinambo Talatamaty. Atidoha nikotrika izany ny zanany lahy. Antony, valifaty sy tahotra ny tsy handova. Niakatra fampanoavana, omaly, ny tovolahy telo. Monina eny Ambohinambo Talatamaty izy ireo. Voarohirohy ho namono nahafaty ny raim-pianakaviana teny an-toerana ny faha-3 avrily 2025 lasa […]
Tranga
Kaominina Mahitsy: Tokantrano valo nasesin’ny dahalo
Nisy naratra tamin’ireo tompon-trano lasibatry ny asan-dahalo tao Soavinimerina, kaominina Mahitsy, ny alin’ny alarobia 30 avrily teo. Andian’olona am-polony nirodorodo nanesy ny tokantrano nifanakaiky tao amin’io tanàna io sy ny manodidina. Nihevitra ireo mpandroba fa misy vola tao amin’ireo trano lasibatra ireo. “Dahalo mety ho manodidina ny 20 eo ho […]
Tapa-bolana nifampitadiavana : Tratra ilay nanolana zaza 8 taona
Voasambotry ny mpitandro filaminana ny lehilahy nahavanon-doza nanolana zazavavy vao 8 taona monja, tao Ianakasy, kaominina Mahatsinjo, distrikan’i Vondrozo, ny 29 avrily teo. Nirahan’ny ray aman-dreniny naka anana atao laoka maraina teny an-tsaha io zaza io, tamin’ny 18 avrily lasa teo, tamin’ny 8 ora maraina. Tazan’ny lehilahy iray izy ka […]
Fiara telo nifandona tetsy By-Pass : Olona efatra niara-namoy ny ainy
Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tetsy amin’ny lalana hiditra ny kianja Elgeco plus by pass, ny alarobia tamin’ny 9 ora sy sasany alina teo. Olona efatra niara-namoy ny ainy tao anaty fiara Clio, voadona mafy. Fiara telo samihafa nifandona nandritra ny lozam-pifamoivoizana tetsy akaikin’ny kianja Elgeco Plus By-Pass, afakomaly alina. Niavian’ny loza […]
Tsy nahazaka onjam-piainana: Namoy ny ainy tampoka i Rado
Namoy ny ainy tampoka ny alatsinainy hariva teo, etsy amin’ny kianja fanaovam-baolina Analankinina Hopitalibe i Rado, raim-pianakaviana 43 taona. Manambady ary namela kamboty roa mianadahy izy. Raha ny angom-baovao, mpiasa teo anivona orinasa tsy miankina iray eto an-drenivohitr’ i Toamasina izy teo aloha, saingy efa ho dimy taona izay naaton’ […]





