Ravan’ny zandary ny alin’ny 24 janoary hifoha ny 25 janoary lasa teo, tany Ambalamanasy ny tambajotrana jiolahy mpamaky trano sy mpanendaka tany an-toerana. Voasambotra vokatr’izany, ny 11 mianadahy. Tsy ampy taona ny enina tamin’izy ireo, vehivavy kosa ny dimy hafa. Nanao fanarahan-dia tovolahy iray mampiahiahy ny eo anivon’ny mpitandro filaminana. […]
Tranga
Halatra solika amin’ny RN2 : Olona valo lahy saron’ny zandary
Mpangalatra sy mpanampoka solika teny amin’ny lalam-pirenena faharoa. Mpamily sy mpanampy azy miisa valo voasambotry ny zandary. Saron’ny zandary teny Ankarefo, kaominina ambanivohitra Ambodinifody, disitrikan’i Moramanga, omaly, ireo fiarabe fito mpangalatra sy mpanampoka solika. Voasambotra tamin’izany ireo mpamily sy ny mpanampy miisa valo. Efa eo am-pelantanan’ny zandary izy ireo amin’ […]
Fanolan-jazalahy 4 taona: Mitaky ny hampiharana ny sazy ny fianakaviany
Mitaky ny hampiharana ny sazy ho an’ireo roa lahy izay efa notanana eny Tsiafahy sy ilay eny amin’ny fonjan’ny zaza maditra eny Anosiala, ny fianakavian’ilay zazalahy 4 taona voaolana. Nihemotra hatrany ny fitsarana ny raharaha nahavoasaringotra ireo roa lahy tamin’ny fanolanana teny Ambohimangakely, ny 16 desambra lasa teo. Zazalahy 4 […]
Niara-nifety : Olona dimy maty nilatsahan’ny varatra
Tokantrano iray tany amin’ny fokontany Vinanitelo Centre, kaominina ambanivohitra Vinanitelo, distrikan’i Vohibato no nilatsahan’ny varatra, afakomaly tokony ho tamin’ny 7 ora sasany alina. Olona dimy maty vokatr’izany, roa hafa manaraka fitsaboana eny anivon’ny hopitaly any an-toerana, raha ny tatitra voaray avy amin’ny Compagnie de Brigade avy any Alakamisy Itenina. Nisy […]
Andraharo – Rocade Masay : Telo lahy mpandeha moto namoy ny ainy
Tsy fitandremana sa andro miditra, mpitaingina moto telo lahy matin’ny lozam-pifamoivoizana teny Andraharo sy tetsy amin’ny rocade Masay, ny alin’ny alahady sy omaly maraina. Lehilahy mpitondra moto vaky loha ka maty teo noho eo vokatry ny lozam-pifamoivoizana nahazo azy, teo amin’ny rocade Masay, omaly maraina tamin’ny 7 ora sy sasany. […]




