Tra-tehaka teo Tsaralalàna, ny 3 mey teo, ireo roa vavy mpisoloky efa naharaisan’ny kaomisaria CSP1 fitoriana telo, tao anatin’ny iray volana. Nahazo vola maherin’ny 80 tapitrisa izy ireo. Nandritra ny volana avrily lasa teo, naharay fitoriana avy tamina tompona orinasa momba ireo mpisoloky roa vavy ireo ny polisy. Avo lenta […]
Tranga
Efatra maty teny By-Pass : Nalefa eny Tsiafahy ilay sinoa, mpamily
Naiditra vonjimaika am-ponja eny Tsiafahy, omaly, ilay sinoa, mpamily, nahafaty olona efatra teny By-Pass. Lozam-pifamoivoizana nitranga ny alin’ny faha-30 avrily. Enina andro taty aorian’ ny nitrangan’ny lozam-pifamoivoizana nahatsiravina tetsy akaikin’ny kianja Elgeco plus By-Pass, nahafatesan’olona efatra, ny 30 avrily lasa teo. Naiditra vonjimaika eny amin’ny fonjaben Tsiafahy, omaly, mandra-piandry ny […]
Mpiasa an-trano tetsy Ambohijanaka : Nanorenany tokantrano ireo entana nangalariny
Lehilahy sy vehivavy roa voasambotry ny zandarimaria miasa eo anivon’ny tobim-paritra Andoharanofotsy, afakomaly. Nitokisan’ny mpampiasa azy nandritra ny telo taona io lehilahy io. Nahatsapa fahabangan’ny entana tao an-trano anefa ny tompon-trano. Nihena tsikelikely ireo fitaovana tao an-tokantrano. Nanjavona hatramin’ny kidoro sy lovia. Nampiahiahy azy rahateo ny fihetsik’io lehilahy mpiasa tao […]
Ambodin’Isotry: Lehilahy iray tratra nanao sinto-mahery
Voasambotry ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny kaomisaria Isotry, ny lehilahy iray 23 taona, afakomaly tamin’ny 7 ora sy 45 minitra. Tratra nanao sinto-mahery findain’olona teo akaikin’ny Bazar-Ma Ambodin’Isotry izy io. Efa nisy polisy nanao fanamiana sivily nanara-maso teny amin’ny manodidina ka nahafahana nisambotra ity farany. Nisy olona lasibatry ny […]
Mpaka an-keriny telo voatifitra: Tra-tehaka ny basy AKM sy poleta iray
Nifampitifitra ny zandary sy ny mpaka an-keriny, afakomaly alina. Maty ny jiolahy telo ka vehivavy ny iray. Tra-tehaka ihany koa ny basy mahery vaika marika AKM sy bala enina, niampy potela iray. Vehivavy iray sy dahalo roa samy lavon’ny balan’ny zandarimaria nandritra ny fifanjevoana tao amin’ny fokontany Ambatobe, kaominina Soalazaina, […]





