Tranga

Ilafy : tratra ny tambajotra mpangalatra moto

Mirongatra ny halatra moto ao Avaradrano. Jiolahy roa raindahiny indray voasambotra niaraka tamin’ny zava-maranitra, afakomaly. Tratran’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny kaomisarian’ny Sabotsy Namehana ny roa lahy mpangalatra anatin’ny tambajotra mpangalatra moto ao Ilafy, ny harivan’ny alahady 12 novambra teo. Naharay fitarainana tamina olon-tsotra ny polisy momba ny fisiana jiolahy […]

Fanafihan-jiolahy : Inspektera maty voatifitra teo amin’ny kibony

Namoy ny ainy nandritra ny fitifirana nataona jiolahy nitam-basy nanafika  tranombarotra tao amin’ny kaomi­nina Ambovombe Centre/ Manan­driana, distrikan’Amba­la­vao, ny polisy iray, afakomaly. Jiolahy dimy lahy no niditra an-keriny tao amin’io toeram-pivarotana io. Nandroaka izay azo nalaina izy ireo ary roa lahy hafa niandry teny ivelan’ny trano. Nahazo fampahafantarana ny mpitandro […]

Fikasana hiditra ny kianjan’ny 13 mey: mpitandro filaminana roa naratra, sivily valo voasambotra

Raikitra indray ny fifanjevoana teo amin’ny mpitandro filaminana sy ny mpanao hetsika fotsy, ny sabotsy teo, tetsy Behoririka. Zandary sy miaramila iray naratra raha sivily valo kosa voasambotra… Indroa miantaona ny fifandonana teo amin’ny mpitandro filaminana sy ny mpanao hetsika fotsy tetsy Beho­ririka, ny sabotsy 11 novambra teo. Nirefodrefotra ny […]

Karieran’Ikalamavony : olona telo maty tototry ny tany

Olona telo indray tototry ny tany tao Antsahan’i Kamavo ao Mandarano, fokontany Ma­nanatanana, kaominina sy distrikan’Ikalamavony, afakomaly. Kariera efa tsy misy mi­asa intsony no niasan’ireto olona niharam-boina ireto, araka ny tatitra nampitain’ny tobim-paritry ny zandarimaria Ikalamavony. Fito lahy izy ireo no niasa nitrandraka vato an­tsoina hoe «ziricon» sy « spocumen » teo amin’ity toeram-pitrandrahana vato sarobidy ity, ny 8 novambra […]

Grenady- Toby Ratsimandrava: lehilahy nosamborina, basy roa nogiazana !

Lehilahy iray no voasambotra, afakomaly, tamin’ilay fanapoahana grenady tetsy amin’ny Toby Ratsimandrava. Nahitana basy roa ihany koa tao an-tranony ka ny iray kilalao. Voasambotra, afakomaly, teny Analamahitsy, boriborintany fahadimy ny tovolahy iray. Ahina ho tom­pon’antoka voalohany tamin’ny fanapoahana grenady teo amin’ny kianja filalaovana basiketin’ny Toby Ratsiman­dra­va, ny alin’ny 7 novambra 2023. Araka ny angom-baovao natao, manana […]