Raim-pianakaviana 67 taona hita faty tsy nisy voamaso roa tao Tanandava, kaominina Mitsinjo Betanimena, distrikan’i Toliara II, ny 15 marsa teo. Nitsirara teny anaty tanimboly io lehilahy io no hitan’ny fokonolona. Tsy nisy aina intsony izy. Niantso ny manam-pahefana avy hatrany ny fokonolona. Nozahana ny vatana mangatsiaka an’io lahiantitra io. […]
Tranga
Vola 8 000 Ar namonoany ny namany : Nalefa eny Tsiafahy ilay nahavanon-doza
Natolotra ny fampanoavana, niara-notanana vonjimaika eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy ilay namono nahafaty olona teny amin’ny kaominina Bongatsara. Vola 8 000 Ar no namoany ilay lasibatra. Fitiavam-bola tafahoatra, tra-tehaka ka nalefa eny amin’ny fonja, ny talata 18 marsa teo, miandry ny fotoam-pitsarana azy ilay lehilahy namono olona tao Ambohimanga ambony, fokontany […]
Asan-jiolahy eto Toamasina: Efa manatona ny tranon’ ny olona ambony
Efa mampiteny ny moana ny paikadin’ny mpangalatra any Toamasina. Ny alin’ny alatsinainy hifoha talata 18 marsa teo, nidiran’ny jiolahy ny tokotany roa tao amin’ny Cite Duplex any an-toerana. Nalain’izy ireo nandritra izany, ny baterian’ny fiara roa tavela tao. Tsy nokitihin’ireo jiolahy ny fiara iray sy moto efatra, quad roa tao amin’ireo […]
Andian-jiolahy ao Toamasina : 14 lahy mirongo antsy nanafika fivarotana miisa roa
Trano fivarotana roa no notetezina andian-jiolahy. Mandeha amin’ny andiany samihafa izy ireo izay manodidina ny 14 lahy. Mirongo antsy lava avokoa ry zalahy. Tao Tsarahonenana, carreau 4, ny alin’ny alahady hifoha ny alatsinainy 17 marsa teo, jiolahy miisa folo no nanafika tokantrano iray. Notorahan’izy ireo vato aloha ny tafontrano. Nandre […]
Madera Namontana: Lehilahy iray saika hangalatra sarona
Lehilahy iray tratran’ny fokonolona saika hangalatra sy hanendaka teny amin’ny fokontany Madera Namontana, omaly maraina. Hitan’ny olona nihaodihaody saika hanao ny asa ratsiny teny amin’ny manodidina ny lehilahy miisa efatra. Voalaza fa saika hanendaka sy hangalatra teny amin’ny manodidina izy ireo. Nenjehin’ny fokonolona ary tratra nandritra izany ny iray tamin’ireo […]