Nahoraka tamin’ny gazety lehibe tao Frantsa, nanomboka afakomaly, ny mahakasika pretra iray, teratany malagasy. Voalaza ho nanodikondim-bola tao amin’ny paroasy izay notantanany izy. Niasa tao amin’ny fiangonana ambanivohitr’i Paulhaguet, Faritra Auvergne-Rhône-Alpes, any Haute-Loire izy. Nitentina 5000 hatramin’ny 6000 Euros, ny vola izay nangalariny tao amin’ny kitapom-bolan’ny fiangonana. Vola azo amin’ny […]
Tranga
Nirefodefotra ny basy teny Ivandry : Narahana “drones” ny filohan’ny Fanavaozana
Indroa alina misesy izao, no voalaza fa narahana ”drones” ny fiara nitondra ny Kly Randrianirina Michaël, raha izy hamonjy fodiana. Hitan’ny mpiambina izany halina ka raikitra ny tifi-danitra, teny Ivandry Namoaka fanambarana ofisialy, halina ny talen’ ny seraseran’ny Fiadidiana ny Fanavaozana. Voalaza tamin’izany fa indroa alina misesy izao dia misy […]
Zaza very tato ho ato : Tsy latsaky ny 10 ireo namoahana fikarohana
Tsy latsaky ny 10 ny tranga filazana fikarohana mahakasika zaza very teto Analamanga, tato anatin’ny tapa-bolana. Naparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera avokoa izy ireny mba hifanampiana amin’ny fikarohana. Nahitana ankizy, tanora ary olon-dehibe izany. Betsaka indrindra amin’ireo ny fahaverezana ankizy sy tanora manodidina ny 4 hatramin’ny 31 taona. Nisy tamin’ireo no hita […]
Amboanjobe, RN7: Lehilahy hita faty tsy nisy taova
Dian-java-maranitra efatra hita tamin’ny fatin-dehilahy iray teny Amboanjobe, omaly. “Nalan’ny olon-dratsy ny taovany”, hoy ny mpitandro ny filaminana. «Voatsatok’antsy ny vatany, nahitana dian-java-maranitra koa teo amin’ny fony sy ny tendan’io olona io », hoy ny fanazavan’ny kaomandin’ny tobim-paritra Andoharanofotsy, omaly maraina. Niala ny trano fonenany ilay raim-pianakaviana, voalaza fa handeha hivarotra […]
Ankadinondry Sakay : Ankizy nilalao nahita razana nifono
Nampihorin-koditra! Razana iray nifono lamba hitan’ny ankizy nilalao tao Ambavaloza, tsy lavitry ny fokontany Ankadinondry II, kaominina Ankadinondry Sakay, ny talata 1 jolay teo. Nasitrisitriky ny olon-dratsy tao anaty kirihitra, hitan’ny andian’ankizy nilalao tao anatin’io fokontany io ny taolam-balo maromaro niampy karan-doha miisa efatra. Tsy vitan’izay, razana iray mbola nifono […]




