Tranga

Analankinina Hopitalibe : Tranona mpianatra voaroba

Nitrangana vaky trano indray tany amin’ny fokontany Analankinina Hopitalibe, parisela 12/21-22, zana-paritra fahefatra, ny sabotsy hifoha alahady teo. Vaky trano maromaro no niseho tao amin’io toerana io, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny mponina any an-toerana. Amin’ny ankapobeny, tranona mpianatra ho mpitsabo mpanampy eny anivon’ny sekoly ambony avokoa ireo niharan’ny […]

Nianjeran’ny biriky: Zazalahikely roa taona maty

Vokatry ny rotsakorana nandritry ny alina, nianjera tao amin’ny lakozia iray tetsy Ambanidia Volosarika ny tamboho teo amboniny, omaly. Vokany, maty voatotan’ny biriky ilay zazalahikely roa taona sy tapany. Nitrangana fihotsahan’ny tamboho, nahafatesana zazalahikely roa taona sy tapany, tetsy Ambanidia Volosarika, omaly tamin’ny 6 ora sy sasany maraina. Nian­jera tamin’ny […]

Saika mpamerin-keloka avokoa: Dimy ireo jiolahy maty, efatra azo sambo-belona

Dimy ireo jiolahy lavon’ny balan’ny polisy, tao anatin’ny hetsika hiadiana amin’ny fanafihana mitam-piadiana misesisesy teto Antananarivo. Efatra ireo azo sambo-belona hatramin’izao. Vehivavy rasazy, mipakaraka ireo jiolahy ny iray tamin’ireo. Efa saika mpamerin-keloka ary gadra efa nahavita ny saziny avokoa ireo jiolahy vaosambotra ireo, raha ny tatitra nataon’ny polisim-pirenena niarahan’ny DPJ, […]

Ambohimangakely : Mpianadahy mpamaky trano niara-tratra

Niaraka nosamborin’ny zandarimaria miasa eo anivon’ny zana-tobim-paritra Soamanandrariny ny mpianadahy miara-miasa manao vaky trano tao amin’ny fokontany Ambohimahitsy, kaominina Ambohomangakely, ny zoma 21 febroary teo. Manana fanalahidy am-polony karazany samihafa, hampiasain’i Rasta hanokafany tokantrano eny amin’ny manodidina izany. Hangalariny avokoa izay entana rehetra azo avadika vola. Toy ny vilany hatramin’ny […]