Tranga

Toamasina : Hanamafy ny fisafoana ny OMC

Hitohy ny fisafoana, atoandro sy alina, ataon’ny ekipan’ny mpitandro filaminana mivondrona amin’ny OMC, manoloana ny firongatry ny asan-jiolahy ao Toamasina Renivohitra. «Efa misy olona hanaovana fanadihadiana eo anivon’ny polisim-pirenena manoloana ny tranga famonoana ilay zazavavy 12 taona tao Mangarivotra, ny sabotsy 27 jona lasa teo », hoy ny fanazavan’ny tonian’ny fampanoavana anivon’ny […]

Lehilahy maty niboraka tsinay : Novonoin’ny mpiara-miasa taminy tetsy Maroroho

Fifandirana indraindray. Maty notsindromin’ny mpiara-miasa taminy, tamin’ny antsy, ny lehilahy iray, tetsy Maroroho Tsimbazaza. Niboraka ny tsinainy, izay nitarika tamin’ny fahafatesany. Maty notsindromin’ny mpiara-miasa taminy tamin’ny antsy tetsy amin’ny Annexe Aceem Maro­roho Tsimbazaza, afakomaly hariva, tamin’ny 7 ora sy sasany, ny lehilahy iray 50 taona. Vavahady nidobodoboka no henon’ny mponina […]

Billy Rakotomalala : Mpankafy fa tsy mpanao Rallye

Hotontosaina ny zoma 3 jolay izao ny fandevenana an’i Billy Rakotomalala, ilay mpamily fiara matin’ny lozam-piarakodia teny amin’ny lalan’ Ime­rinkasinina, teny Tsara­fonenana, fokontany Ambato­fotsy, kaominina Ambohima­laza. Tsy mpanamory Rallye velively izy, araka ny fanazavan’ny fianakaviany fa mpankafy ny tontolo mekanika. Anisan’ny nirona tamin’ny fankafizana fiarakodia izy ary nahasarika namana maro […]

Tokantrano voatafika : Tovolahy iray maty voatifitra

Notafihin’ny jiolahy mirongo basy ny tokantrano iray tany Tsivatrinikamo, distrikan’Antsirabe, ny harivan’ny alatsinainy, tamin’ny 7 ora. Niditra tao an-trano ireo jiolahy ary efa teo an-tokotany no nisy ny fifampitifirana. Tapaka ny herinaratra nandritra izany. Nanapoaka basy indroa izy ireo, ren’ny mponina teny amin’ny manodidina. Vokany, voatifitra teo amin’ny lohany ny […]

Amboanjobe Andoharanofotsy: Hita faty voaolana tao anaty ala “Sapin” i Sahala Fanekena

Hita faty tany anaty alan-kesika, eny Amboanjobe, i Sahala Fanekena, ankizivavy 12 taona, nifampitadiavana afakomaly tontolo. Niala ny tranony tetsy amin’ny fokontany Ampefiloha Ambodirano izy, afakomaly maraina. Naolana sady nodarohana izy. Hita faty omaly hariva tamin’ny 4 ora, tany anaty ala “Sapin” tany Amboanjobe Andoha­rano­fo­tsy, i Sahala Fanekena. Anki­zivavy 12 […]