Nifanehatra tamin’ireo miaramila mpampandry tany anatin’ny hetsika « Tselatra » sy ireo antoko voalohany ao amin’ny fari-piarovana sy filaminana Matitanana, afakomaly. Tao an-tanànan’i Lohamanga, fokontany Fenoarivo 2, kaominina ambanivohitr’i Labohazo, distrikan’i Farafangana. Teo am-piomankomanana ny hanao fanafihana ireo jiolahy antsoina hoe Tsedy sy Tsaravela no nifanehatra tamin’ny miaramila. Naharay antso momba ny […]
Tranga
Antohomadinika ; trano 18 levon’ny afo, fongana ny entana rehetra
Lasa lavenona tanatin’ny indray mipi-maso ny entana sy ny biby fiompy tetsy Antohomadinika, omaly. Tokantrano 18 may noho ny antony tsy fantatra mazava. Trano biriky telo niampy trano hazo am-polony, hotohoton’ny afo, teny amin’ny fokontany Antohomadinika afovoany, omaly tolakandro tamin’ny 3 ora sy sasany. « Niainga tamin’ny trano hazo iray nisy mpivarotra […]
Talatamaty: jiolahy raindahiny roa lahy maty voatifitra
Rotiky ny balan’ny zandary ny jiolahy raindahiny tratra tao “Bemoka”, fokontany Ambohinambo, kaominina Talatamaty, distrikan’ Ambohidratrimo, omaly maraina. Anisan’ny namoahan’ny fitsarana didy fikarohana noho ny asa ratsy nataony, nifanehatra tamin’ny mpitandro filaminana izy ireo. Tomponantoka tamin’ny fanafihana fiara tsy mataho-dalana iray teny amin’ny lalan’Andranotapahana, ny 4 jona lasa teo, ny […]
Nanandrana namono tena : zaza enin-taona kendan’ny tady fanahazan-damba
Zava-doza ny nanjo ilay zazalahy kely vao enin-taona. Matin’ny tady fanahazan-damba izy rehefa nanao kilalao, nisary hananton-tena. Nampalahelo ny nanjo ity fianakaviana iray tao Toamasina. Maty nihantona teo amin’ny tady fanahazan-damba eo an-tokontany ny zaza vao enin-taona, ny talata lasa teo. Maty vokatry ny fanandrakandramana amin’ny maha ankizy azy. Nanao kilalao […]
Hamonjy fahoriana : saika lasan’ny jiolahy ny entana rehetra
Voasambotry ny polisy tao Toamasina, afakomaly tolakandro, ny jiolahy nangalatra entan’olona teny amin’ny fiantsonan’ny taksiborosy. Naharay antso ny polisy fa misy jiolahy iray nihorakorahan’ny olona tratra teo am-pangalarana entana. Tonga ara-potoana ny polisy, voamarina ny fisian’ ny olon-dratsy. Tratra teo am-pibatana sakaosin’olona iray izy. Olona handeha hamonjy fahoriana ity saika […]