Maty tsy tra-drano ny ramatoa iray nanao taingin-droa tamin’ny bisikileta tao amin’ny fokontany Madiotsifafana, kaominina Ambatondrazaka, omaly maraina. Kamiao lehibe iray no nifatratra tamin’ ny bisikileta nitondra azy. Tamin’ny 6 ora maraina, tsy nanampo na inona na inona ireo olona roa. Nanaraka azy ireo avy ao aoriana ilay kamiao. Tampoka, […]
Tranga
Namaky varavaram-pasana : jiolahy iray maty voatifitry ny zandary
Maty voatifitry ny zandary tao amin’ny fokontany Fiadanankely, kaominina ambanivohitr’i Mahitsy, omaly maraina, ny iray amin’ireo jiolahy nikasa hamaky fasana. Telo lahy izy ireo no niaraka. Tratra teo am-pisokirana fasan’olona. Nifanehatra tamin’ny zandary mpanao fisafoana izy ireo tamin’io fotoana io. Nandositra avy hatrany izy telo lahy raha vao nahita ny […]
Dimy lahy nosamborina : ady tany nivadika famonoana olona
Disadisa nateraky ny ady lova hatry ny ela, namoy ny ainy novonoin’ny fianakaviana akaiky azy ny lehilahy iray. Hitan’ny zanaky ny maty anefa ireo nahavanon-doza. Dimy lahy, izay fianakaviana iray ihany, indray nanafika tokantrano iray tao Andranomamavo, fokontany Marofarihy, kaominina Mahavelo, distrikan’i Farafangana, ny alin’ny alahady 13 aogositra teo. Nanao […]
Nangalatra vatokely sy fasika: lehilahy matin’ny fitsaram-bahoaka
Matin’ny fitsaram-bahoaka tao Ambalamanasy « carreau voalohany » Toamasina, ny alatsinainy teo ny raim-pianakaviana iray 45 taona. Raha ny angom-baovao, lehilahy iray mipetraka eo akaikin’ny toeram-pivarotana fasika sy vatokely fanamboaran-trano no naniraka azy hangalatra vatokely sy fasika an’olona iray manamboatra trano. Tsy lavitra teo amin’ny toeram-pivarotana no misy ity trano vao amboarina […]
Olona iray maty… : kamiaobe nifandona tamin’ny taksiborosy
Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona indray teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra (RN4) mihazo an’i Mahajanga, omaly vao maraina. Kamiaobe iray no nifandona tamina taksiborosy Sprinter, teo amin’ny tetezan’Andranofeno Avaratra, distrikan’Ankazobe. Vokany, raim-pianakaviana iray nandeha tamin’ilay taksiborosy namoy ny ainy. Raha ny tatitra nampitain’ny zandarimaria, avy any Mahajanga hihazo an’Antananarivo ity kamiaobe ity. […]