Tranga

Mpandefa mpiasa any koweït : roa lahy naiditra am-ponja, maka 5 000 000 Ar isan’olona

Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora ireo lehilahy roa saika handefa an-tsokosoko vehivavy dimy hiasa any amin’ny tany Arabo. Teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato no tratra izy roa lahy ireto niaraka tamin’ireo tovovavy saika halefa hihazo ho any amin’ny tany Arabo. Nanatitra ireo vehivavy dimy hiasa an-trano any amin’ny tany Arabo izy […]

Saika hanao pasipaoro : olona fito tratra nampiasa taratasy hosoka

Tohivakana ireo tambajotrana mpisoloky sy mpanao hosoka amin’ny alalan’ny antontan-taratasy hanaovana pasipaoro sy taratasim-panjakana. Tratran’ny polisy miasa ao amin’ny surveillance du territoire ny lehilahy iray nampiasa karapanondro hosoka. Nilaza ity voarohirohy ity fa hoe hampiasainy amin’ny resaka varotra sy taratasy any amin’ny banky ireo karapanondro hosoka ireo. Vela-pandrika nataon’ny polisy […]

Nandroba 29 tapitrisa Ar : enin-dahy mitam-basy voatifitry ny zandary

Voaroban’ny jiolahy miisa 12 ny volabe 29 tapitrisa, tanaty taksiborosy, omaly. Nisy ny fanarahan-dia, enina tamin’ny olon-dratsy no maty voatifitry ny zandary. Notafihin’ny jiolahy miisa 12 nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika ny kamiaobe Taksiborosy «Bilomalaza» tao Andra­novory Toliara II, omaly. Lasan’ny mpanafika ny vola mitentina 29 tapitrisa Ar mahery. Taksiborosy mampitohy […]

Very ny vola an-tapitrisany ; « Quincaillerie » notafihan’ny jiolahy teny Ilafy

Nitrangana fanafihan-jiolahy tsy nisaron-tava, nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika indray teny Ilafy, omaly atoandro. Voaambana basy ny mpiasa ka lasa ny volabe tao anaty fitoeram-bola. Toeram-pivarotana kojakojana fanamboarana trano ity notafihan’ny jiolahy telo nitondra basy roa sy antsilava iray ity. Araka ny fitantaran’ny tovolahy iray mpiasa ao amin’ity toeram-pivarotana ity, tonga […]

Manakara: lamasinina nivadika, olona telo naratra

Nitrangana loza an-dalamby indray tao Tanakidy, kaominina ambanivohitr’Ambahatrazo, distrikan’i Manakara, omaly maraina. Fiarandalamby zotra FCE (Fianarantsoa Côte Est) ity tra-doza tampoka ity. Niainga avy ao Manakara hihazo an’i Fianarantsoa ilay lamasinina no niala ny lalamby nandehanany nony tonga teo amin’ity tanàna ity. Olona telo nandeha tamin’ity fiarandalamby ity no naratra. […]