Tra-tehaky ny mpitandro filaminana ny vehivavy efatra sy lehilahy roa tao amin’ny fokontany Ankadinakanga, Tsiroanomandidy, omaly. Manao hosoka sady misandoka izy enina mianadahy ireto. Naharay angom-baovao avy amin’ny tsara sitrapo, malaza tao amin’ny faritra Bongolava ny fisiana tambazotra mpanao fisandohana. Mampiasa anarana tomponandraiki-panjakana misahana ny bokin’omby sy ny karapanondrom-pirenena izy […]
Tranga
Adiny roa ny fisavana tao an-trano: renim-pianakaviana maty notifirin’ny jiolahy
Nirefodrefotra indray ny basy nandritra ny fanafihan-jiolahy tao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Mangabe Sahananto, distrikan’i Toamasina II, afakomaly tolakandro. Renim-pianakaviana iray maty voatifitra… Niditra an-keriny tao am-pivarotan’ny mpandraharaha iray ireo jiolahy sady nanapoaka basy tamin’io fotoana io. Tsy vitan’izay fa nandrahona ireo fokonolona teo amin’ny manodidina ihany koa izy ireo. Nandositra […]
Vola 200 000 Ar voaroba : mpanao gazety voavely kibay
Narahina roa lahy nitondra moto, notereny tamin’ny sisin-dalana ka voadaroka kibay sady voaroba ny mpanao gazety iray avy nanao ny asany tao Betsoahana, distrikan’i Mandoto, ny zoma 4 aogositra teo. Nifantoka tamin’ny fanaovana “investigation” na fanadihadiana tamin’ny raharaha ady tany ao amin’io toerana io izy. Nihazo ny lalana hody, roa […]
Fanaovana hosoka : voatazona am-ponja ilay zandary
Nolavin’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Toamasina ny fangatahana fahafahana vonjimaika nataon’ny zandary iray, ny zoma 28 jolay teo. Nidoboka am-ponja vonjimaika ny faha-21 jona, noho ny halatra sy fampiasana marika ana orinasa mpanao simenitra iray tsy nahazoana alalana no nahavoampanga azy. Vokany, niakatra teny amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany ny raharaha, […]
Fakana an-keriny : maty voatifitry ny zandary i Salama
Lavon’ny mpitandro filaminana ny jiolahy raindahiny amin’ny fakana an-keriny tao Anjozorobe, afakomaly. Lavon’ny zandary ny iray tamin’ireo jiolahy mpaka an-keriny tao amin’ny kaominina ambanivohitra Ambohibary Vohilena, distrika Anjozorobe, ny sabotsy 5 aogositra teo. Nikasa haka an-keriny tao amin’io kaominina io ihany, naharay angom-baovao ny zandary avy eo anivon’ny kaompania Imerina […]