Saika isan’andro ny ahenoana loza ahafatesan’olona vokatry ny fampiasana moto. Noho ny fandehanana mafy hatrany ny ankamaroan’izany. Namoy ny ainy vokatry ny fandehanana mafy ny raim-pianakaviana iray 76 taona nitondra moto, tao amin’ny fokontany Ambihibolabe, kaominina Amboasary Gare, distrikan’i Moramanga, afakomaly. Tsy tafavily fiolanana, nifatratra tanaty tatatra ilay mpitondra moto. […]
Tranga
Cash point voatafika : lehilahy iray voafira antsy, lasa ny 600 000 Ar
Cash point iray lasibatry ny asan-jiolahy tao amin’ny fokontany Miaramasoandro Vatofotsy, kaominina Antsirabe, ny talata 2 aogositra teo. Niandry kendry tohina ny mpivarotra sady mpanao cash point io ireo jiolahy. Nitaky avy hatrany ny vola teny amin’ny raim-pianakaviana izy ireo. Lasa ny vola. Tsy nanaiky anefa ireo olon-dratsy fa nalainy […]
Nanolana zaza miisa roa : naiditra am-ponja ilay talen’ny EPP
Zaza roa kilasy T2 niharan’ny fanararaotana ara-nofo nataona talen-tsekoly iray. Naiditra am-ponja ilay nahavanon-doza, afakomaly. Natolotra ny fampanoavana tao Ambatondrazaka, naiditra am-ponja ny talen’ny EPP iray nahavanon-doza tamina vehivavy miisa roa, afakomaly. “Efa nataony talohan’ny fialan-tsasatry ny mpianatra miisa roa io tranga io saingy nisy fiantraikany ara-pahasalamana tamin’ny iray tamin’ireo […]
Analamahitsy: Pakistanais roa lahy voasambotra
Pakistanais roa lahy sy Malagasy roa tra-tehaky ny mpitandro filaminana tetsy Analamahitsy, afakomaly. Nahatrarana fototra zava-maniry tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara an-jatony tao amin’ izy ireo. Nokasainy haondrana an-tsokosoko ireo harem-pirenena ireo. Mananika ny 1 tapitrisa dolara ny tombam-bidin’ ireto zava-maniry ireto, araka ny tatitry ny zandary nanao famotorana. Nahitana […]
Betroka : vehivavy hita faty voatapa-doha
Fatim-behivavy efa simba hitan’ny fokonolona nitsirara tao Andakana, distrikan’i Betroka, omaly maraina. Nanatonan’ireo nanatri-maso, tsy teo amin’ilay vehivavy ity intsony ny lohany. Notapahana tamin’ny zava-maranitra izany. Niezaka namantatra azy ny iray tanàna. Potika tanteraka anefa ny vatan’io ramatoa io. Efa niala koa ny nofo tamin’ny tanany havanana. Nidina ifotony nijery […]