Tranga

Vaky fasana : Razana 15 nosavoritahan’ny jiolahy

Fasana iray novakian’ny olon-dratsy tao Miadaman­jaka, fokontany Tsaravondro­na, kaominina Fihaonana, distrikan’Ankazobe, ny alin’ny alatsinainy 11 septambra teo. Mpandalo iray no nahatsikaritra fasana iray efa nisokatra, ny talata hariva. Taitra, nampandre ny manodidina izy. Nijery ifotony ny tranga koa ny mpitandro filaminana ao an-toerana niaraka tamin’ny tompom-pasana. Voamarina, nandritra izany, fa tsy latsaky ny […]

Antsarakofafa : mpanendaka matin’ ny fitsaram-bahoaka

Raim-pianakaviana iray hita faty tao Antsarakofafa Toa­masina, ny sabotsy teo. Nafenin’olona tanaty lobolobo amoron-tatatra ny razana ka simba tanteraka. Raha ny tatitra nampitain’ny teo anivon’ny polisim-pirenena, mpangalatra sady mpanendaka ao Ankirihiry akaikin’ny bazary may, ny sabotsy teo, ity niharam-boina ity. Tratran’ny fokonolona izy tamin’ny 8ora alina. Raikitra ny daroka sy […]

Tetezan’i Bekiraro: raim-pianakaviana voatsatok’antsy ny tendany

Voatsatok’antsy teo amin’ny tendany ny raim-pianakaviana iray avy niasa, afakomaly alina. Vola 1 500 Ar anefa no tany aminy. Nalain’ireo jiolahy izany. Vola 1 500Ar famerim-bolana taxi-be no saika namoizan’ny raim-pianakaviana iray ny ainy teny amin’ny tetezan’i Bekiraro Isotry, afakomaly alina. Notsa­tohan’ny jiolahy ny antsy teo amin’ny tendany raha iny handeha hody ho any Andrano­manalina iny. […]

Nitsoaka ny iray tanàna : mpaka an-keriny iray lavo, telo azo sambo-belona

Nirefodrefotra ny basy tao Betoho, fokontany Ambato­kely, kaominina Ambohibary Vohilena, ny alatsinainy 11 septambra teo. Nikononko­nona hanafika tao amin’ny fokontany Andavabary, anatin’io kaominina io, ny ekipan’ity dahalo mpaka an-keriny atao hoe Ndremasy ity ny alahady 10 septambra. Naharay angom-baovao ny zandary fa ny alin’io andro io ihany dia ho tonga […]

Telo lahy voasambotra : 4 500 000 Ar ny basy iray

Voasambotry ny polisy ny telo lahy mpanao trafikana fitaovam-piadiana mahery vaika. Naiditra am-ponja, afakomaly, izy ireo, izay mpamatsy basy sy bala jiolahy ihany koa. Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora, afakomaly, ireo telo voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fikasana hivarotra basy mahery vaika miaraka amin’ny bala. Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny […]