Tranga

Analakely: mpitsindrona rôrô telo lahy voasambotra

Mpitsindrona zava-mahadomelina mahery vaika telo lahy tra-tehaky ny mpitandro filaminana teny ambanin’ny Arcade Analakely, ny faran’ny herinandro teo. Nanao fanamiana sivily, nisafo tampoka teny amin’iny faritra iny ny polisy. Nahita andian-jatovo nitangorona ka nanao fisavana. Nojerena ka tratra tamin’izany ny fitaovam-pitsindromana fampiasan’ireo tanora mpitsindrona. Tsy ampy taona ny roa tamin’ireo […]

Efa mpamerin-keloka: jiolahy roa nifanenjehan’ny polisy teny Andranomanalina

Jiolahy roa indray saron’ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’Isotry (CSP4) teny Andranomanalina sy Antohomadinika, omaly maraina. Malaza ratsy amin’ny fanendahana miaro fanafihana ireto jiolahy ireto. Fiaraha-miasa teo amin’ny polisy sy ny fokontany eny Andranomanalina sy Antohomadinika no nahafahana nisambotra ireto jiolahy ireto vao maraina. Nohamafisin’ny polisy rehateo fa jiolahy efa […]

Nampisotroina toaka gasy: ankizivavy 2 taona naolan’ny dadatoany

Ny dadatoany ihany no nahavita fihetsika mamoafady tamin’ny zanak’anabaviny vao 2 taona monja tao amin’ny fokontany Anjiabe, kaominina ambanivohitr’i Vanono, distrikan’i Mananara Avaratra. Ny 24 aogositra 2023 teo no nitrangan’ity raharaha ity. Lasa nandeha nitondra varotra mitety tanàna ny renin’ilay ankizy ka napetrany tamin’ny anadahiny io zanany niharam-boina io. Efa […]

Miandrarivo Ambanidia: raim-pianakaviana hita faty niaraka tamin’ny  “fil” ny tendany

Ahina ho nisy namono ny raim-pianakaviana, monina eny Ambanidia. Hita  faty niaraka tamin’ny tariby na fil teo amin’ny tendany izy, omaly. Nahitana faty olona tetsy Miandrarivo Ambanidia, omaly atoandro. Raim-pianakaviana iray monina tsy lavitra teny ihany ity namoy ny ainy tao anaty lobolobo ity. “Efa tsy nody hatramin’ny talata hariva […]