Tranga

Mihorohoro i Toamasina : tovolahy iray hita faty notondrahana asidra

Hita faty tao Analamalotra, teo amoron-dranomasina, ny alatsinainy teo, ny vatana mangatsiak’i Zafalie Marie Orlove, 20 taona. Mpianatra lalàna taona faharoa ao amin’ ny Oniversite Barikadimy Toa­masina ity tovolahy niharam-boina ity. Razana efa simba novonoina tamin’ny fomba feno habibiana no hitan’ny olona teo amoron-dranomasina. Notondrahana asidra teo amin’ny lohany ka efa niraraka avokoa ny nofon-dohany […]

Karohina ny rainy : fatin-jaza sembana nasesika tanaty gony

Nampivarahontsana ny nanjo ity zalahikely vao sivy taona, tao Sambava. Novonoina, nasesika tanaty gony ny vatana mangatsiakany, nalatsaka tao an-davadrano. Ahiana ho tompon’antoka ny rainy. Ankizy sivy taona hita faty tao amin’ny fokontany Ambodimanga Angaiky, kaominina Marogaona, distrikan’i Sambava, ny faran’ny herinandro teo. Nariana tao anaty lavadrano izy rehefa nofonosina […]

Fifandonana mahery vaika: miaramila voan’ny bala, Olon-tsotra iray maty

Mpanara-dia iray tamin’ny fokonolona no lavon’ny balan’ny dahalo tao amin’ny kizo Andasiniletsaka, fokontany Mazamiempo, koaminina Bemahatazana, distrikan’i Tsiroanomandidy, omaly. Nitrangana halatra omby tao Ampoaramaso, fokontany Zatobe, kaominina Marotampona, ny alin’ny alahady  03 hifoha omaly 4 septambra tamin’ny 10 ora sy sasany alina. Dahalo am-polony nitam-piadiana nandroba. Nanara-dia ireo olon-dratsy avy […]

Miarinarivo: naiditra am-ponja ireo mpangalatra taolam-paty

Nidoboka am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjaben’i Miarinarivo, ny zoma teo, ny tambajotran-jiolahy malaza ratsy amin’ny halatra taolam-paty ao Miarinarivo. Taolam-paty iray gony no tratra tany amin’izy ireo nandritra  ny fampandrian-tany nataon’ireo miaramila ao amin’ny fari-piarovana sy Filaminana Tsiafajavona. Sarona tao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Tamponala, distrikan’i Soavinandriana Itasy, ny sabotsy 26 […]

Nandona kamiao: tovolahy 23 taona, matin’ny « scooter »

Maty tsy tra-drano ny tovolahy  vao 23 taona, afakomaly. Nandona kamiao ny “scooter” notaingenany, araka ny fanambaran’ny zandary. Vaky ny lohany, potika ny fananany. Namoy ny ainy ny mpitandro moto “scooter” iray tao Andranomandry, fokontany Ambohitrombihavana, kaominina ambanivohitra Ambohimangakely, distrika Antananarivo Avaradrano, afakomaly.  Avy any Ambohimalaza izy. “ Nandeha mafy […]