Tranga

Voasambotra teny Ivato : nisandoka ho zandary nandritra ny 12 taona

Nisandoka ho mpitandro filaminana miaraka amin’ny fanamiana, tra-tehaky ny zandary avy ao amin’ny kaompania Ambohidratrimo, ny lehilahy iray, ny 21 jolay lasa teo. Nanararaotra olon-tsotra teo Mandrosoa Ivato izy, herinandro mialoha io nisamborana azy io. Nangalany vola ny mpi­ton­­­dra fiara nosakanany ary nitonon-tena ho zandary am-perinasa ity mpisoloky ity. Ankoatr’io, […]

Nihorohoro ny mponina teny Ankasina : lasa ny volabe, jiolahy efatra nanafika mpanao Cash point

Nirefotra indray ny basin’ ireo jiolahy nandritra ny fanafihana mpanao Cash point iray eny Ankasina, omaly tamin’ny 7 ora hariva. Jiolahy efatra nirongo basy mahery vaika no tompon’antoka tamin’ity fanafihana ity. Tampoka ny fisehoan’ny fanafihana satria ny roa tamin’ireo jiolahy niditra tao amin’ilay Cash point raha niandry teny ivelany kosa […]

Anosibe Angarangarana : jiolahy tratra teo am-pamakiana tranon’olona

Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny boriborintany fahadimy (CSP5) Mahamasina, omaly maraina, tamin’ny 1 ora sy sasany, teny Anosibe Angarangarana, ny jiolahy iray raindahiny amin’ny fanafihana miharo vaky trano. Nihanika tambohon’olona izy. Tsy vitan’izay fa efa tafiditra tao an-trano izy tamin’io fotoana io. Tazan’ny tompon-trano anefa izy ka afaka niantso […]

Mpianaka niara-maty : voafaokan’ny fiara tamin’ny andro nahaterahany

Indray mipi-maso! maty izy mianaka rehefa avy nankalaza ny fahafito taonany ilay zazalahikely. Nanatitra fiara, niampita arabe izy sy ny reniny no voafaokan’ny fiara 4X4. Sesilany ny lozam-pifamoivoizana nandratrana sy namoizana ain’olona ao Toamasina. Teo anoloan’ny hopitaly manara-penitra, afakomaly hariva. Renim-pianakaviana iray nitantana ny zanany lahy fito taona no indray […]

Disadisa : Polisy maty noleram-badiny antsy

Namoy ny ainy vokatry ny tsindron’antsy tao Sambava, omaly maraina. Tsy nifankahazo tamin’io vadiny io, naharay zava-maranitra ilay ramatoa. Natsindrony teny amin’ny vadiny avy hatrany anefa izany. Poa toy izay, nifamonjen’ny mponina manodidina nentina tao amin’ny hopitaly CHRR Besopaka ilay Sous-Brigadier. Tsy tana anefa ny aina noho ny hamaroan’ny ra […]