Tranga

Naiditra am-ponja : olona 24 tratra nitondra rongony 2 taonina

Nodorana omaly, taorian’ny fahavitan’ny famotorana rehetra, ireo rongony milanja 2 450 kg tratran’ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Ambilobe. Nodorana tao Andavakatsantsa, fokontany Matiakoho, distrikan’Ambilobe, ireto zava-mahadomelina efa milanja 2 taonina mahery ireto. Nanatrika izany ireo solontenam-panjakana ao an-toerana nahitana ireo Olobe, ireo tomponandraiki-panjakana, ny zandarimariam-pirenena. Marihina fa olona 26 no […]

Fanafihana mitam-piadiana: tompon-trano voatifitra teo amin’ny masony

Nokendren’ny olon-dratsy teo amin’ny lohany, voan’ny bala ka naratra mafy teo amin’ny masony ny lehilahy iray tao Tsiroanomandidy. Voaroba ny omby roa. Voa roa, naratra mafy teo amin’ny masony sy ny sofiny ny raim-pianakaviana iray tao amin’ny tanà­nan’i Soamanga, kaominina Bemahatazana, distrikan’i Tsiroanomandidy, ny alaka­misy 14 novambra teo. Andian-jiolahy nirongo […]

Maevatanana : tratra ireo jiolahy namono olona

Naiditra am-ponja ao amin’ny fonjaben’i Maevatanàna, ny 12 novambra 2024 teo, ireo jiolahy efatra voarohirohy ho tompon’antoka tamina vonoan’olona feno habibiana tao an-toerana. Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’i Maevatanàna ny alin’ny sabotsy 9 novambra 2024 noho ny raharaha famonoana olona niniana natao ry zalahy ireto. Nahitana fatin’olona iray […]

Namono nahafaty ny vadiny: mamatoa indroa voaheloka an-terivozona mandra-pahafatiny

Renim-pianakaviana antsoina hoe i Pity Elicette, 39 taona, fantatra amin’ny solon’ anarana hoe Cette no namono nahafaty ny vadiny tao Ambalakondro, fokontany Vo­hi­tsara, kaominina ambani­vohitr’Ampasimbe Onibe, distrikan’i Toamasina II. Voaro­hi­rohy tamin’ny famonoana ny vadiny izy, araka ny antontan-taratasin’ady laharana 06-Toa/21 ka nampidirana am-ponja vonjimaika azy ny 4 marsa 2020. Antontan-taratasin’ady […]

Nanohitra zandary : jiolahy roa lahy maty voatifitra

Lavon’ny tifitry ny mpitandro filaminana ny roa lahy amin’ ireo mpangalatra omby tao amin’ny fokontany Antelopolo, kaominina Anahidrano, ny 13 novambra teo. Nandroba tao amin’io fokontany io, nentin’ireo olon-dratsy ny omby miisa dimy. Nanara-dia avy hatrany ny fokonolona ary niambina ny kizo ahina handosiran’ireo mpandroba ny zandarimaria ao amin’ny tobim-paritra […]