Nitangoronan’ny olona ny polisy iray monina eny Anosibe, omaly. Voalazan’ny nanatri-maso fa nidaroka mpitondra taxi-bisikileta izy. Naratra sy vaky loha ity farany. Polisy iray monina eny amin’ny fokontany Mandrangobato II, Anosibe, no saika niharan’ny fitsaram-bahoaka, omaly. Voalaza fa nanao fanamparam-pahefana, nidaroka mpitondra taxi-bisikileta izy. Nahatezitra ny mponina, izay mpiray tanàna […]
Tranga
Fakana an-keriny: Avotra ilay raim-pianakaviana takalonaina
Nataon’ny mpitandro filaminana hazalambo, tanaty haizina, ny andian-dahalo mpaka an-keriny tao amin’ny fokontany Ambohitranivo, kaominina Brieville, distrikan’i Tsaratanàna, afakomaly alina tamin’ny 10 ora sy 45 minitra. Dahalo enin-dahy, nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika niditra an-keriny tamina tokantrano iray. Tsy nisy alaharo, nanambana basy ary naka ilay raim-pianakaviana 35 taona tao amin’io […]
Raharaha fitsaram-bahoaka : Naiditra am-ponja ny dimy voarohirohy
Naiditra vonjimaika am-ponja any Ambalatavoahangy ireo olona dimy voarohirohy tamin’ny famonoana ilay tovolahy 21 taona (Sergino), maty niharan’ny fitsaram-bahoaka tany Toamasina, ny alarobia 2 avrily lasa teo. Eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana kosa ny telo mianadahy ambiny, anisan’izany ny sefo fokontany ao Mangarivotra Avaratra, Parcelle 11/14. Fantatra ireo taorian’ny fiakarana’izy ireo […]
Fifaninanana hazakazaka : Atleta maty latsaka tany anaty hantsana
Maty teo am-pifaninanana mihazakazaka, afakomaly, ny atleta iray. Tsy niara-tonga tamin’ny mpifaninana izy tamin’ny fotoanan’ny famaranana, namoy ny ainy. Nianjera tampoka avy eny ambony hantsana, namoy ny ainy, ny iray tamin’ireo mpifaninana nandray anjara tamin’ny hazakazaka “Trail Ibity andiany faha-9”. Nitranga izany tao amin’ny amin’ny fokontany Ambarinakanga, kaominina Ibity, distrikan’Antsirabe […]
Jiolahy mpampihorohoro: Lavon’ny balan’ny zandary i Sambitanae
Lavon’ny balan’ny zandary omaly tamin’ny 11 ora maraina ny jiolahy raindahiny antsoina hoe: Sambitanae. Anisan’ireo dahalo mpampihorohoro ny mponina any an-toerana izy io. Nahazo antso avy tamin’ny ben’ny Tanàna tany Ankiririky ny Zandary, omaly tamin’ny 10 ora maraina. Fantatra fa mihaodihaody ao amin’ny fokontany Ankiririky III ity olon-dratsy ity. Miantso […]