Tranga

Vao afaka fanadinana CEPE : Notifirina teo amin’ny lohany i Soaline

Maty voatifitry ny jiolahy teo amin’ny lohany i Soaline. Tezitra noho ny tsy fisiam-bola saika hangalarina ireo mpanafika mitam-basy ka nanamparan’izy ireo ny hatezerany izy. 12 taona, vao afaka fanadinana CEPE ity zaza lasibatra ity. Notafihin’ny jiolahy miisa roa, mirongo fitaovam-piadiana, ny tokantrano iray, tany Mangarivotra parisela 21/53, disitrikan’i Toama­sina, […]

Fianarantsoa: maty ilay lehilahy voahitsaky ny kamiao

Nizara roa! Maty tsy tra-drano ny lehilahy iray niharan’ny lozam-pifamoivoizana tao Ankazondrano, kaominina an-dRenivohitra Fianarantsoa, omaly maraina. Voahitsaky ny kamiao ilay lehilahy ka nisaraka ny vatany. Olona tsy vaovao amin’ireo mpivezivezy ao an-toerana, mpibata entana ao amin’ny toeram-piantsonana ao Ankazondrano, ity tra-doza ity, araka ny loharanom-baovao. Tsy fantatra mazava ny […]

Ambohimanambola: maty novelesin-dramatoa fanoto ny vadiny, omaly maraina

Notanana atao famotorana ny renim-pianakaviana iray namono nahafaty am-badiny, teny Ambohimanambola. Maty novelesina fanonto ity farany, omaly maraina. Namoy ny ainy ny raim-pianakaviana iray 57 taona, tao amin’ny fokontany Ambohimahatsinjo, kaominina Ambohima­nam­bola, ny alin’ny 25 hifoha ny 26 jona teo. «Niady izy mivady ary tsy nisy olon-kafa ankoatra azy ireo […]

Asan-jiolahy: matin’ny fitsaram-bahoaka i Tidahy

Nofirain’ny fokonolona tamin’ny zava-maranitra, niendaka ny hodi-tavan’i Tidahy, olon-dratsy malaza ho mpamira antsy olona, tao amin’ny kaominina Ampasimbe, distrikan’i Brickaville, afakomaly. Nandritra ny andron’ny tsena tao amin’io kaominina io, narahin’ny fokonolona maso i Tidahy. Nikendry mpanao volamena iray tao amin’ny tsena izy, saingy efa niandry kendry tohina azy ny fokonolona. […]

Tsiadana: zandary sandoka naiditra am-ponja

Niakatra fampanoavana afakomaly, voatazona vonjimaika any am-ponja, ny lehilahy iray nisandoka ho zandary teny Tsiadana, boriborintany faharoa. Nitondra moto sady nanao fanamiana zandary mitondra tsipika roa io lehilahy io. Nifamaly tamin’ny mpitondra fiara iray teny an-toerana izy, ny 20 jona lasa teo. Nodakadakan’io lehilahy io anefa ny fiara. Nalainy ny […]