Tranga

67 Ha : Roa lahy voasambotry ny miaramila

Vehivavy iray mpiray tsikombakomba sy mpanendaka roa lahy voasambotry ny miaramila mpanao fisafoana alina teny amin’ny faritry 67 Ha, omaly maraina. Voaroban’ny olon-dratsy ny finday teny amin’ny olona roa, tamin’io andro io. Niroso avy hatrany tamin’ny fikarohana ny nahavanon-doza ny mpitandro filaminana niatrana an-kianja. Voasambotra ny roa lahy ahina ho […]

Antananarivo Renivohitra : Lozam-pifamoivoizana 21 tanatin’ny herinandro

Olona iray namoy ny ainy tamin’ireo lozam-pifamoivoizana 21 niseho tao anatin’ny herinandro, teto Antananarivo Renivohitra. Olona 20 naratra. Namoizana ain’olona iray ny lozam-pifamoivoizana nitranga teto amin’ny tanànan’ Antananarivo, nanomboka ny herinandro ny 10 ka hatramin’ny 16 aogositra lasa teo. Mateti-pitranga ny loza an-dalambe tato ho ato, araka ny tatitra voaray […]

Tandrevaky ny mpamily : Tohivakana ny lozam-piara­kodia eny amin’ny RN 5

Raha fahasimbana fiara sy kojakoja momba ny fiara mpitatitra olona mampiasa ny lalam-pirenena fahadimy (RN 5) no nalaza teo aloha, noho ny faharatsian’ny fotodrafitra, miova indray izany ankehitriny. Saika lozam-pifamoivoizana, fiara sy moto, izay mitarika faharatrana olona maro vokatry ny fandehanana mafy noho ny fahatsaran’ny lalana ka tsy mahafehy ny […]

Diplaoma bakalorea hosoka : Talen-tsekoly tsy miankina naiditra am-ponja

Niakatra fampanoavana teny anivon’ny fitsarana Ano­sy ny talen-tsekoly tsy miankina iray, niampy olona efatra mpiray tsikombakomba taminy. Notanana vonjimaika any am-ponja izy ireo, ny faran’ny herinandro teo. Nisy tsy fahatomombanana tsikaritry ny tomponandraikitra miasa eo anivon’ny Oniversite Antana­narivo, ny 5 aogositra lasa teo. Vehivavy nikasa hanao fanamarinana dika mitovy amin’ny […]

Fianarantsoa: Lehilahy tratra nanolan-jazalahy

Nosamborin’ny polisim-pirenena miasa eo anivon’ny CSP Ankofafa ny lehilahy nanolan-jazalahy 12 taona tao Fianarantsoa, omaly maraina. Nanaovan-drangahy ny filan-dratsiny ilay zaza tsy manan-tsiny tokony ho tamin’ny 3 ora maraina. Mody nilaza hitady ny renin’io zaza io ity lehilahy nahavanon-doza ity ka niditra ny trano. Ny renim-pianakaviana izay tsy tao an-trano […]