Mateti-pitranga ny tranga famonoan-tena tato ho ato. Tanora vao erotrerony avokoa ny voasarik’izany amin’ny ankapobeny. Tovovavy, kilasy famaranana ao amin’ny Lycée iray ao amin’ny kaominina ambanivohitra Mahela, disitrikan’i Tanambao Manampontsy no namono tena, ny sabotsy tolakandro 20 jona lasa teo. Hita faty nihantona tamin’ny tady teny ambony hazo izy, tamin’io […]
Tranga
Fanafihana tetsy Ankadikely: maty voatifitra Radevoly, jiolahy raindahiny
Lavon’ny balan’ny polisim-pirenena nandritra ny fifanenjehana ny jiolahy raindahiny iray tao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy, ny alin’ny talata 23 jona teo. Nanao asa fanafihana tao amin’ny fokontany Ambaniatsimo, kaominina Ankadikely Ilafy, nifanenjehan’ny mpitandro filaminana ny jiolahy maromaro, ny harivan’ny talata 23 jona teo. Nitondra fitaovam-piadiana toy ny basy vita gasy […]
Tezitra noho ny kolikoly: nitokona ny mpamily sy ny reseveran’ny taxi-be
Nidina an-dalambe, omaly, ny mpamily sy ny reseveran’ny taxi-be, eto an-dRenivohitra. Nilaza ho leo kolikoly ataon’ny polisy kaominaly izy ireo. Nodian-dry zalahy fanina kosa ny tsy fanarahan-dalàna ataony. Nidina an-dalambe sy nilanja sorabaventy mitaky ny handravana ny Direction des transports et de la mobilité urbaine (DTMU) ny mpamily sy resevera […]
Nanenjika akoho: lehilahy natelin’ny rano tetsy Ambohimanambola
Namoy ny aina natelin’ny rano ny tovolahy iray, teny akaikin’ny tetezana, kaominina Ambohimanambola, omaly maraina. Nanenjika akoho somary nanamorona ny renirano izy, raha ny voalaza, kanjo nisolifatra tampoka tany anaty rano. “Efa somary mamomamo izy raha ny angom-baovao”, hoy ny fanazavan’ny zandarimaria miasa ao Ambohimanambola. “Lalina ny rano ka nilentika […]
Ambohidratrimo: tovovavy iray hita faty naolana sy nokendaina
Hita faty tetsy Antsahabe, fokontany Tsaramandroso-Namontana, kaominina Anosiala, distrikan’Ambohidratrimo, ny alahady tamin’ny 07 ora maraina teo, ny tovovavy iray 25 taona. Nampandre ny zandarimaria avy amin’ny zana-tobim-paritra Anosiala ny sefo fokontany vao nahita ny tranga. Tsy niandry ela fa nidina ifotony nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana izy ireo […]




