Tranga

Fiara tapaka hisatra : Mpandeha 4 namoy ny ainy, 34 naratra

Olana tampoka teo amin’ny hisatra, nitarika loza ka namoizan’aina olona efatra, tao Ambalavaokely, PK419+100, afakomaly. Tsy tana ny ain’ny efatra tamin’ireo mpandeha tra-doza tao anatin’ny fiara nivadika teny amin’ny lalam-pirenena fahafito, PK419+100, tao amin’ny tetezan’Ambalavaokely, distrikan’i Vohibato, afakomaly. «Tsy nahazo tampoka ny hisatra tamin’ilay fiara. Ani­san’ny nitarika ny loza», hoy […]

Vatobe-67 Ha : Lehilahy voatsindrona antsy, namoy ny ainy

Tsy tana ny ain’ny lehilahy iray naratra mafy voatsindrona zava-maranitra teny amin’ny Vatobe-67 Ha, afakomaly. «Nentina teny anivon’ny hopitaly izy saingy tsy tana ny ainy rehefa tonga teny an-toerana», hoy ny fanazavana voaray avy amin’ny tompondraikitra miasa eo anivon’ny polisim-pirenena. Nisehoana tranga hafahafa teny 67 Ha ny harivan’ny sabotsy 15 […]

Lehilahy hita faty : Voaroba ny vola 2 tapitrisa Ar

Nanjavona tao an-trano nahitana ny vatana mangatsikan’ilay lehilahy ny vola mitetina 2 tapitrisa Ar, araka ny fanazavan’ny mpitandro filaminana eo anivon’ny sampam-pikarohana ny ady heloka be vava, afakomaly. Ahina ho nalain’ny olon-dratsy izay nahavita namono nahafaty an’i Nomenjana­hary Élysio ny vola, raha ny loharanom-baovao. Tsy hita nanomboka ny 10 aogositra […]

Moto nifandona tamin’ny kamiao: Mpianaka niara-namoy ny ainy

Olona efatra matin’ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalam-pirenena roa samy hafa, tao anatin’ny telo andro. Mpianaka nitondra moto tra-doza tao Ilempona, omaly. Nifandona tamin’ny kamiao mpitatitra simenitra, maty tsy tra-drano ireo roa lahy mpianaka nitaingina kodiarandroa teny amin’ny RN7, avaratr’Ilempona, Antanifotsy, omaly tolakandro. Niainga avy any Andramasina izy mianaka no nitaingina […]

Kaominina Mahitsy: Razana 43 lasan’ny olon-dratsy

Tsy mety foana ny tranga vaky fasana ao anatin’ny distrikan’Ambohidratrimo. Fasana iray niharan’ny asa ratsy nataon’ny jiolahy tao amin’ny fokontany Mananosy Ambohimanoa, kaominina Mahitsy, ny alin’ny alarobia 12 aogositra lasa teo. Varavaram-pasana efa nitongilana no hitan’ny mpandalo iray. Nam­pandre avy hatrany ny tomponandraikitry ny fokontany sy ny tompom-pasana izy. Niroso […]